Hatolotry ny Praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama ny Antenimierampirenena, anio, ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE). Hifandraika amin’ireo fototry ny fanavaozana izany: fanamafisana fahaiza-manao sy ny fangaraharana, ny ady amin’ny kolikoly sy ny fahalovana, fiantohana ny maha repoblikanina ny andraikitry ny Foloalindahy, famolavolana rijanteny fototra hitantanana ny Repoblika vaovao, fanomanana fitsapankevi-bahoaka… Raha hanao […]
Politika
Depiote Milavonjy Philobert: “Tokony hohafainganina ny fikaonandoham-pirenena”
“Ny antso avo ataonay matetika avy aty amin’ny fanoherana: ny hirosoana sy hanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena, izay efa nolazain’ny avy amin’ny fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara. Heverinay fa izany no tokony hatao faran’izay haingana”. Io ndray no nambaran’ny lehiben’ny fanoherana sady filoha lefitra fahafito eny anivon’ny Antenimierampirenena, ny depiote voafidy […]
Antenimierampirenena : Minisitra enina no namelabelatra vina sy fanamby
Minisitra enina no namelabelatra ny vina sy fanamby teny amin’ny Antenimierampirenena, Tsimbazaza, omaly. Nilaza ny fahapotehan’ny lalana ny minisitry ny Asa vaventy, Razafindrianarivo Henri Jacob. Antony, tsy nety ny fitantanana ny vola fikojakojana lalana. Hisy volavolan-dalàna hahamarin-toerana izany. Vinan’ny minisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, Rakotonandrasana Velonjara Tiaray, ny hamerenana […]
FANTINA sy FINTINA
Napetraky ny filohan’ny Antenimierampirenena, Randrianasoloniaiko Siteny, tany Vangaindrano, ny faran’ny herinandro teo, ny samboadin’ny depiote tsy miankina Mahavitara Sylvestre voafidy tany Vangaindrano. Voafonja izy mialoha ny fifidianana; nefa voafidy na tsy nanao fampielezan-kevitra aza, ary anisan’ny nahazo fahafahana tamin’ireo gadra politika. Amin’ny 19 novambra ny fitsarana ny raharaha fifidianana ben’ny […]
Bianco : “Ity taona ity no nahitana kolikoly be indrindra”
Tao anatin’ny 21 taona niasan’ny Bianco, tamin’ity taona ity no nahitana tranga kolikoly be indrindra. Vola 170 miliara Ar no tratra tao anatin’ ny sivy volana. Izay raha fintinina ny tatitry ny Bianco, notarihin’ny tale jeneralin’ny Bianco, Razakamanantsoa Gaby Nestor, teny Ambohibao, tamin’ny faran’ny herinandro teo, momba ny ady amin’ny […]




