Miandry ny fikaonandoha tarihin’ny FFKM ny fametrahana ny fototra hiorenan’ny Repoblika vaovao, hoy ny Filoham-panjakana, ny Kolonely Randrianirina Michaël. Mialoha izay anefa, mila fanavaozana maika ny mahakasika ny toe-tsaina sy ny toe-panahy. Nitafa tamin’ny mpanao gazety halina ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Kly Randrianirina Michael. Namafisiny tamin’izany ny fe-potoana, […]
Politika
FANTINA sy FINTINA
Niverina niasa avy hatrany ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, Ramanantsoa Harilala, teny Analakely, omaly, taorian’ny fanadihadiana teny amin’ny Bianco sy ny Pac momba ny “Raharaha SMGD-Cnaps”. Mijanona fototra sy fitsipika amin’ny fitantanana ny fangaraharana sy ny fahitsiana. Tanjona ny fandaminana sy ny fanadiovana ny tanàna. Fanamafisana ny fiaraha-miasa no nifanakalozan’ny ambasadaoron’ny […]
Raharaha SMGD-Cnaps : Iray no naiditra am-ponja vonjimaika
“Iray no naiditra am-ponja vonjimaika taorian’ny fisehoana voalohany teo anatrehan’ ny mpitsara mpanao famotorana, dimy nomena fahafahana vonjimaika ambany fanaraha-mason’ny fitsarana, fito nomena fahafahana vonjimaika ary iray farany namoahana didy fampisamborana”. Io ny fampahafantarana ofisialy nampitain’ny Tendrom-pitsarana manokana miady amin’ny kolikoly (Pac), omaly, momba ny raharaha Cnaps sy ny orinasa […]
Fivondronamben’ny eveka : “Tsy maintsy ovaina ny fomba fanaovana politika”
Aiza ho aiza ny fomba fanaovana politika amin’izao? Mitranga sahady ny ahiahy, raha ny hafatry ny Fivondronamben’ny eveka eto Madagasikara. Tsy maintsy ovaina… “Tsy maintsy ovaina ny fomba fanaovana politika mba ho fanompoana vahoaka amin’ny alalan’ny fiahiana ny soa iombonana, indrindra ao anatin’ny fotoan-tsarotra”. Io ny hafatry ny Fivondronamben’ny eveka […]
FANTINA sy FINTINA
Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra teny Iavoloha, afakomaly, ny fandraisana anjaran’i Madagasikara amin’ny filankevitra maharitra faha-132 eo anivon’ny fikambanan’ny firenena miteny frantsay sy ny fikaonandoha faha-46 an’ireo minisitry ny fikambanan’ny firenena miteny frantsay hatao any Kigali, Rwanda, amin’ ny 18-20 novambra ho avy izao. Tokony ho efa apetraky ny governemanta ny […]




