“Resy lahatra ny lehiben’ny governemanta fa tokony ho hentitra amin’ny sehatra rehetra ny fampiharana ny lalàna, ka nandidy tsy hanavahana na inona na inona toerana sy/na satan’ny olona iray.” Io ny toromariky ny Praiminisitra ho an’ny minisitry ny Fitsarana tamin’ny alalan’ny taratasy lah. 053-PM/25, ny 6 novambra lasa teo, nampitain’ny […]
Politika
Raharaha SMGD – Cnaps – CUA : Niakatra teny amin’ny Pac omaly
Niakatra fampanoavana teny anivon’ny Sampam-pitsarana miady amin’ny kolikoly na Pac ny raharaha SMGD sy Cnaps. Anisan’ny nohenoina ny ben’ny Tanànan’Antananarivo, Harilala Ramanantsoa sy tomponandraikitra ambony vitsivitsy. Mihazakazaka ny toe-draharaha momba ny raharaha SMGD sy ny Cnaps ary ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Nohenoina teny amin’ny biraon’ny Sampam-pitsarana miady amin’ny kolikoly na […]
FANTINA sy FINTINA
Atao andrimaso eny amin’ny Bianco, efa hatry ny afakomaly ny tale jeneraly teo aloha an’ny Cnaps, Rakotondraibe Mamy, sy ny tale jeneralin’ny SMGD, Andriamananony Thierry. Nantsoin’ny Bianco koa ny ben’ny Tanànan’Antananarivo, Ramanantsoa Harilala. Anisan’ny hanadihadiana azy ireo ny momba ny fitantanana tsy ara-dalàna. Mitaky ny hampitsaharana ny fanenjehana azy ireo […]
Ceni – fifidianana: “Miankina amin’ny fikaonandoham-pirenena”
«Tsy mbola voafaritra ny daty hanaovana ny fifidianana filohan’ny Repoblika. Hisy ny fikaonandoham-pirenena izay karakaraina amin’izao fotoana izao. Tsy maintsy hisy ny adihevitra momba ny vanin’andro hanatanterahana fifidianana amin’izay fikaonandoham-pirenena izay». Io ny fanazavan’ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama, teny Alarobia, afakomaly, taorian’ny fihaonan’ ny iraka manokan’ny Vondrona Afrikanina (UA). Rehefa […]
Andriantsitohaina Claudia : Maneho ny fanohanana azy ny vehivavy sy ny firaisamonim-pirenena
Tapitra ny fe-potoana ahafahana mitazona an’Andriantsitohaina Claudia eny amin’ny Bianco, saingy tsy mbola navoaka izy. Mampiaka-peo noho ny tsy fanajana ny zony ny vehivavy sy ny firaisamonim-pirenena. Efa mihoatra ny fe-potoana voalazan’ny lalàna ahafahana manao andrimaso ny vadin’ny minisitra teo aloha, Andriantsitohaina Naina. Maneho ny alahelony, araka izany, ny fiarahamonim-pirenena […]




