Politika

FANTINA sy FINTINA

Nilaza ny talen’ny kabinetran’ny fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika, Onitiana Realy, omaly, fa tsy marina ny filazana fahazoan’ny mpiasa eo anivon’ny fiadidiana ny Fanavaozana tambim-pankasitrahana na valisoa manokana 20 tapitrisa Ar avy. Tsy nanamarina ny fisian’ny taratasy niparitaka momba izany izy. Tsara ho fantatra fa melohin’ny lalàna ny fanelezana vaovao […]

Milavonjy Philobert : “Tsy ara-dalàna ny fanenjehana ny depiote Mi­chelle”

“Misy zavatra hita sy tsapa ary fantatra fa tsy manaraka ny lalàna velona iainana eto amin’ny tany sy ny fanjakana ny fisamborana azy”. Io no fanehoan-kevitry ny lehiben’ ny fanoherana sady filoha lefitra fahafito eny anivon’ny An­tenimierampirenena, ny de­piote voafidy tany Ambo­vom­be Androy tamin’ny anaran’ny Irmar, Milavonjy An­dria­sy Philobert, teny […]

SAMY MANANA NY HEVINY NY AO TSIMBAZAZA : Ara-dalàna ny fanalana tombon-jo parlemanteran’ny depiote

Miova mpitondra, miova sata. Sambany, nisy ny fanalana ny tombontsoa parlemantera tsy azo enjehina. Politika ? Mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana sy ny lalàna velona ny raharaha, araka ny fanazavan’ny filohan’ny Antenimierampirenena. «Mangarahara tanteraka ny fanapahan-kevitry ny birao maharitra, izay mifana­raka amin’ny lalàmpanorenana sy ny lalàna velona eto Ma­dagasikara. Natao izay satria […]

FANTINA sy FINTINA

“Tsy misy ny fiatoana politika, na hoe ao anatin’ny fety aza. Isan’andro ny fampiharan-dalàna. Fomba fitantanana ny firenena ny politika, ka tsy azo tapahina na eo aza ny fety”. Izay ny fijerin’ny filohan’ny antoko Avotra ho an’ny firenena, ny Dr Razafindrakoto Harison, manoloana ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana izao. Tsy misy […]

Kardinaly Tsarahazana Désiré : “Fo matoky no handinihantsika ny fanavaozana”

“Enga anie ka fo matoky no handinihantsika ny fanavaozana tiantsika hajoro eto Ma­dagasikara. Ary tsy atao ambanin-javatra ny fitsinjaram-pahefana tena izy”. Io ny fiarahaba sy firariantsoan’ny kardinaly Tsarahazana Désiré, tany Toamasina, ny fiandohan’ny taona teo. Ampy izay ny fa­naovana ny olona ho zaza lava: omeo vary, omeo ronono, omeo paompy… […]