“Tena mpanao politika aho, ny hevitro: amin’ny firenena iray rehefa manomboka manao fanadiovana: tokony hoenjehina izay olona nanao hadalana rehetra, na tamin’ny fitondran’iza na iza”. Io ny fanehoan-kevitry ny depiote tsy miankina voafidy tany Ikalamavony, Matsiatra Ambony, Rakotoniaina Pety, anisan’ny mpikamban’ny vaomiera eo anivon’ny Antenimierampirenena fandinihana ny antontan-taratasy fanenjehana eny […]
Politika
Praiministra Rajaonarivelo Herintsalama: «Samy hotsarain’ny vahoaka na izahay na ny depiote»
Namarana ny fifanatrehana teo amin’ny governemanta sy ny solombavambahoaka, rehefa naharitra roa andro, ny Praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama, teny Tsimbazaza. Nisy ny hafatrafatra nampitainy tamin’izany. Nambarany fa voarain’ny governemanta avokoa ny hetahetan’ireo depiote. Niantso fifanomezan-tanana koa anefa ny tenany. « Samy hotsarain’ny vahoaka isika sy ianareo nisolovava azy », hoy izy. Nambarany fa […]
FANTINA sy FINTINA
Nandeha mangingina noho ny fiarovana ny ainy, ahina hisy hifofo, ny filoha, ny Kly Randrianirina Michaël, araka ny nambarany, afakomaly. « Efa fanaon’ ireo filoham-panjakana any Etazonia na Frantsa izany », hoy izy. Nambarany koa fa natao hanasoavana sy hahatsara ny firenena ny diany tany Dubaï. Anisan’ izany ny handefasana tanora miisa […]
Rabevahiny Elia: “Mila manangana rafitra tena malagasy isika”
“Mila manana sy manangana rafitra tena malagasy isika, tsy hitsabahana vahiny na iza na iza avy any ivelany. Ahoana ny hahazoana mametraka marina ny fiandrianam-pirenena, ahoana no hahazoana mijoro amin’ny hoe firenena tena manana ny fiandrianany i Madagasikara? Fa tsy tsabahin’ny any ivelany hatrany izay atao eto”. Io ny fanehoan-kevitry […]
Fikaonandohan’ny antoko politika : Ho filohan’ny Fahefana avo ny kolonely Randrianirina Michaël
Nifarana, afakomaly, ny fikaonandohan’ireo antoko politika maherin’ny 50, natao tetsy Ankorondrano. Anisan’ny nisongadina ny momba ny tondrozotra sy ny fifidianana ary ny fanovana rafitra. Tapaky ny asam-baomiera tamin’izany fa ravana avokoa ny Andrimpanjakana. Anisan’izany ny Antenimiera roa tonta, ny governemanta, ny HCC, ny Fitsarana avo (HCJ). Tahaka izany koa ny […]





