Politika

Filoha Rajoelina Andry : “Tsy mitsabaka amin’ny asam-pitsarana aho”

Noraisin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, omaly, ny mpikambana amin’ny Filankevitra ambony momba ny mpitsara. Nohamafisina tamin’ny dinika ny fahaleovan-tenan’ny fitsarana malagasy. “Ny tenako manokana dia anisan’ny mpitantana tena manaja ny fitsarana, tsy mitsabaka amin’ny asam-pitsarana mba hahaleo tena ny fitsarana”. Io ny nambaran’ny filohan’ny Repoblika sady filohan’ny Filankevitra ambony momba […]

FANTINA sy FINTINA

Nampiaiky izao tontolo izao ny fanajana ny zon’olombelona eto amintsika, araka ny lahatenin’ny minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin Alexis tany Belo Tsiribihina, ny zoma teo. « Tena miroso amin’izany isika, indrindra ny fanajana ny olona eny amin’ny fonja », hoy izy. Hiara-kiasa hiady amin’ny kolikoly ny eo anivon’ny Bianco sy ny Fadintseranana […]

Fivoriambe hatao any New York : Hamaritra ireo laharam-pahamehana ny ONU

Hanomboka rahampitso, any New York, ny fivoriamben’ny Firenena mikambana (ONU), andiany faha-80. Miisa 193 ireo firenena handray anjara amin’izany ka anisany i Madagasikara. Anisan’ny lohahevitra lehibe amin’ity fihaonana an-tampony ity ny 80 taonan’ny ONU, nanehoana ny fiaraha-mientana ho amin’ny filaminana sy fandriampahalemana ary koa ny fampandrosoana sy ny fiarovana ny […]

Filoha Rajoelina Andry: Nitokana fotodrafitrasa maro

Nahazo fotodrafitrasa maro i Morondava. Tonga nitokana izany tany an-toerana ny filoham-pirenena Rajoelina Andry. Biraon’ny fitaleavam-paritry ny asa, biraon’ny fitaleavam-paritry ny filaminam-bahoaka misy efitra 22, lalana rarivato 1,6 km Andakabe-Andabatoara, EPP manara-penitra misy efitra 24, kianja manara-penitra mahazaka olona 4 000… Ireo no notokanan’ny filoha Rajoelina Andry niaraka tamin’ny delegasionina notarihiny, […]

FANTINA sy FINTINA

Tsy hanova zavatra lehibe ny tsy fahafenoan’ ireo mpifidy vaventy, araka ny nambaran’ny Ceni teny Alarobia, afakomaly. « Vitsy ireo kaominina tsy manana ben’ny Tanàna, anisan’ny mpifidy vaventy amin’ny fifidianana loholona », hoy izy ireo. Efa mahazatra ary misy hatrany ny fahaverezan-jo amin’ny fifidianana, araka ny nambaran’izy ireo. Voatendry ho […]