Politika

FANTINA sy FINTINA

Voatendry ho mpanolotsaina teknikan’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, Rakotoarisoa Faniry Alban na i Bàbà. Nambarany fa tena mbola tsy madio ny ranon’Ikopa, mbola laoranjy. Mitohy ny fanadiovana. « Tsy vita indray andro fa mila firaisankina sy fifanomezan-tanana ary avela hiasa malalaka sy hain­gana ny governemanta », hoy izy. Namaly ny feo miely […]

Praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama : ”Tsy azo ravana ny andrimpanjakana mijoro”

“Raha tiana handroso i Madagasikara, aleo mifanome tanana sy miara-mientana”, hoy ny Praiminisitra Rajaona­rivelo Herintsalama tamin’ny mpanao gazety teny Tsimba­zaza, omaly, tamin’ny famaranana ny fifanatrehan’ny Ante­nimierampirenena sy ny gover­nemanta. Ekena ny hoe hotsa­rain’ny depiote ny asa vitan’ny governemanta, fa tomponandraikitra avokoa ny rehetra na mpanatanteraka na ny mpanao fanaraha-maso. Tsy […]

Fanapahan’ireo filoham-panjakana : Ho avy amin’ny fanelanelanana indray ny Sadc

Nandray anjara tamin’ny fihaonana an-tampony, nataon’ireo filoham-panjakana eo anivon’ny Sadc ny filoha, ny Kly Randrianirina Michaël, afakomaly. Natao tamin’ny alalan’ny ampitain-davitra izany ka niresahana ny momba an’i Madagasikara. Nankasitrahan’ireo mpivory ny fiverenan’ny fitoniana eto amintsika, sy ny fanombohan’ny governemanta ny fikaonandoham-pirenena. Vonona ho mpanara-maso sy mpanohana ny dingana rehetra ho […]

Rakotoamboa Jean-Louis : “Tokony ho telo na efatra ny antoko politika eto Madagasikara”

“Ny olana eto amin’ny firenena: be loatra ny antoko politika. Misy 300 latsaka kely izany. Te hanao zavatra ho an’ny firenena avokoa izy ireo. Saingy tsy mirindra ary tsy voalamin’ny Malagasy ny fanaovana politika eto Madagasikara”. Io ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny antoko Teza, Rakotoamboa Jean-Louis, ny amin’ny tontolo politika […]

FANTINA sy FINTINA

Tsy natao hamafazana lainga na handikan-dalàna ny fahafahana miteny eto amin’ny firenena, amin’izao fotoana izao, araka ny nambaran’ny filohan’ ny Antenimierampirenena, Randrianasoloniaiko Siteny. « Manome fahalalahana ny rehetra hiteny izao fitondrana mijoro izao, saingy tsy tokony hararaotina izany », hoy izy. Tsy manakana ny fananganana vondrona parlemantera vaovao ny HCC, araka ny […]