Mitaky ny hamoahana ny tondrozotran’ny Tetezamita ny filoha teo aloha, Ravalomanana, araka ny nambarany tao Antsirabe, ny faran’ny herinandro teo. Nanteriny fa tsy maintsy faritana tsara izany ary handalo dingana maro ny firenena. «Tsy maintsy manana faharetana isika», hoy izy tamin’ny fanamarihana ny tsingerin-taona nahaterahany. Nahitsy ny mpanao gazety sady […]
Politika
Ceni : «Hanaovana fitsirihana sy fanadiovana ny lisi-pifidianana»
“Raha tsy manomboka ny fanatsarana ny lisi-pifidianana amin’izao fotoana izao isika, ho sarotra ny hanatanterahana ny fifidianana ato anatin’ny 24 volana”. Io ny nambaran’ny filohan’ny Ceni, Rakotonarivo Thierry, teny Alarobia, ny faran’ny herinandro teo, momba ny fiatrehana fifidianana aorian’ny fikaonandoham-pirenena. Farafahakeliny, mila enim-bolana ny fanavaozana ny lisi-pifidianana. Raha hiandry ny […]
Praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama : «Miandry vokatra mivaingana ny vahoaka»
Nanomboka omaly ny fifanatrehan’ny solombavambahoaka sy ny mpikamban’ny governemanta. ”Miandry vokatra mivaingana ny vahoaka”, hoy ny Praiminisitra nandritra izany. “Fantatry ny governemanta tsara fa miandry vokatra mivaingana sy azo tsapain-tanana ary maika ny vahoaka”. Io ny nambaran’ny Praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama tamin’ny fanombohana ny fifanatrehan’ny Antenimierampirenena sy ny governemanta, teny Tsimbazaza, […]
FANTINA sy FINTINA
Nijoro ny vovonana nasionaly GenXYZ. Tanjon’izy ireo ny handray andraikitra hanarina ny firenena. Eo koa ny fitakian’izy ireo ny fanovana rafitra mikatsaka ny tombontsoam-bahoaka. Na izany aza, nanambara izy ireo fa manohana ny fitondrana. «Tsy hisafosafo fa hiteny hanitsy raha misy ny tsy mety», hoy izy ireo. Nodisoin’ny Tim ny […]
Fivoahana amin’ny krizy : Hitondra fehin-kevitra ny silamo
Niditra an-tsehatra koa. Nanambara ny eo anivon’ny Komity nasionalin’ny fikaonandoham-pirenena ho an’ny mpino miozolomanina (KN-FPMM) fa hanolotra ny fehin-kevitra koa izy ireo amin’ny fikaonandoha hatao eto amin’ ny firenena. Efa nanao ny fikaonandoha-paritra izy ireo, omaly, ary hatao ny 20 sy 21 desambra eny Andohatapenaka kosa ny fikaonandoha nasionaly. « […]





