Politika

Fihaonana tamin’ny filoham-panjakana : Hanamafy ny fiaraha-miasa ny Firenena mikambana

Mitohy hatrany ny fandraisan’ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël ireo eo anivon’ny sehatra iraisam-pirenena. Anisan’ny nihaona taminy ny faran’ny herinandro teo ny avy amin’ny Firenena mikambana (ONU). Nivoitra tamin’ny fihao­nana teo amin’ny roa tonta ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’i Ma­dagasikara. Tafiditra ao ana­tin’izany ny fanohanana ny dingan’ny fanavaozana eto amin’ny […]

FANTINA sy FINTINA

Nitory ny filoha Rajoelina eny amin’ny Anteni­mierampirenena ny Gen Z. Nanoratra antontan-kevitra sy fitoriana iampangana azy izy ireo ka miompana amin’ny And. faha-131 ao amin’ny Lalàmpanorenana izany. Anisany ny famadihana tanindrazana sy ny fani­tsakitsahana miverimberina ny Lalàmpanorenana. Niantso ireo depiote hankato izany izy ireo. Hitohy anio, ao Antsirabe, ny fihaonan’ny […]

Antoko politika : Hofaranana amin’ny fifanarahana ny fikaonandoha

“Aleo ny samy mpanao politika hiaraka hikaondoha sy hifanasa vangy, ary ho tonga amin’ny fifanarahana amin’ny fanaovana politika amin’ny fomba hitondrana ny raharaham-pirenena.” Io ny fanazavan’ny mpandrindra eo ani­von’ny Sehatra ifanakalozan’ ny antoko politika eto Mada­gasikara (Siap) sady sekre­tera nasionalin’ny Arema, Ratsiraka Annick, momba ny fikaonandohan’ireo antoko politika 60 eo […]

Fihaonana maromaro tany Dubai : Nikaro-bahaolana momba ny angovo sy rano ny filoha

Nivahiny 24 ora tany Dubaï, ny 9 desambra lasa teo, ary nitodi-doha teto an-tanindrazana, ny 10 desambra alina, ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël. Fihaonana maromaro no nataony tamin’izany, araka ny namba­ran’ny gazety Africa Intelligence. Anisan’ny nihaona taminy ireo diplaomaty any Emi­rats arabo mitambatra, toy ny Sekreteram-panjakana misahana ny fifandrai­sana […]

FANTINA sy FINTINA

Hisy fahabangan-toerana maharitra ny Anteni­mi­erandoholona noho ny fanafoanana ny fifidianana loholona, tokony hatao amin’ity volana ity. Nambaran’ny filohan’ny Ceni, Rakotonarivo Thierry, fa miandry ny fanapahan-kevitry ny fikaonandoha ny momba izany. « Afaka miantsoroka ny asan’ny loholona koa anefa ny Anteni­mierampirenena », hoy izy. Hentitra Raharimanana Patrick. Tsy tokony ho fitaovana hamelana ireo […]