Politika

Governemanta vaovao: «Tsy maintsy ahitam-bokatra anatin’ny roa volana»

Tafajoro ny governemanta vaovao. Roa volana ny fe-potoana tsy maintsy hahitana soritra ny fanatanterahana ny politikam-panjakana amin’izao Tetezamita izao. Midika ho tsy fahombiazana ny tsy fisiam-bokatra… “Tsy maintsy hita soritra ao anatin’ny fe-potoana roa volana farafahelany ny vokatra hanatanterahan’izy ireo izany politikam-panjakana izany. Ny tsy fisiam-bokatra mazava sy mivaingana ao […]

FANTINA sy FINTINA

Ho fantatra anio ireo ho mpikambana eo anivon’ny governemanta, hotarihin’ny praiminisitra, Rajaonarivelo Herintsalama. Efa nampanantena ny eo anivon’ny fiadidiana ny fanavaozana ny Repoblika, ny herinandro teo fa tokony ho tamin’ny alahady teo izany. Amin’ity anio ity izany vao ho tanteraka. Tsy hanaiky ny hidinan’ny mpitarika ny hetsika ataon’ny mpomba ny […]

CCOC – tetibolam-panjakana: “Tokony hiaraha-midinika ny famolavolana izany”

“Heverinay fa tsy tokony ho maika hiroso amin’ny famolavolana ny tetibolam-panjakana 2026 ny fitondrana. Fifa­nakalozan-kevitra politika iarahan’ny hery velona rehetra ny lalana tokony hizorana amin’izao”. Io ny fanambaran’ny sekre­tera jeneralin’ny firaisamonina sivily CCOC, i Radert Hony, teny Ambatonakanga, omaly, ny amin’ny fandrafetana tetibolam-panjakana. Izay no hamoaka izay ho firafitry ny […]

Famahana ny krizy : Nikaondoha nikaro-bahaolana ny FFKM sy ny Sadc

Anisan’ireo noraisin’ny eo anivon’ny FFKM, ny herinandro teo, ny delegasionin’ny Sadc, nialoha ny nandehanan’izy ireo. Nifantohan’ny dinika ny momba ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana izao. Nivoitra tamin’ny dinika teny Andohalo, niarahan’ny Sadc sy ireo filoham-piangonana ary ny birao foibe, ny momba ny toe-draharaha ankehitriny. Eo koa ny anjara biriky horaisin’ny FFKM […]

Vita ny iraky ny Sadc : Andrasana ny fanapahan-kevitra

“Tsy mbola afa-manolotra ny tatitra feno ry zareo, fa mbola eo am-pamaranana an’izay. Maro ireo olona nihaonana. Mbola ao anatin’ny fandaminana sy fandrindra an’ireo vaovao voaangona ry zareo amin’izao.” Io ny fanazavan’ny sekretera jeneraliln’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, Ratsimbazafy Eric, teny Iavoloha, afakomaly, ny amin’ny famaranan’ny iraky ny Sadc ny angom-baovao natao […]