Politika

HCC, Irmar, Ravalomanana…: Nanadihady ireo ankolafin-kery rehetra ny Sadc

Anisan’ireo nihaona tamin’ireo delegasionin’ny Sadc mandalo eto amintsika ny eo anivon’ny HCC. Nivoitra tamin’ny fihaonana, tetsy Ambo­hidahy, ny resaka manodidina ny Lalàmpanorenana. « Vaha­o­lana namahana ny krizy teto amin’ny firenena ny HCC. Tafiditra ao anatin’ny Lalàm­panorenana avokoa ary voahaja ireo fanapahan-kevitra rehetra noraisina », hoy ny filohan’ity Andrimpanjakana ity, Rakotoarisoa Florent, na­mintina […]

Kly Randrianirina Michael : “Tsy hihoatra ny alahady ny governemanta”

Andrasana fatratra… Rahoviana ny governemanta vaovao? Nilaza ny filohan’ny fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny Kly Randrianirina Michael, fa tsy hihoatra ny rahampitso alahady izany. “Efa miasa ao anatiny izao, raha ny fanirianay: tsy tokony hihoatra ny alahady… Ankinina amin’ny ao ambony hatrany rehefa manao zavatra.” Io no nambaran’ny […]

FANTINA sy FINTINA

Tsy hisy ny sary ofisialin’ny filoham-panjakana, Randrianirina Michael, araka ny nampahafantarin’ny fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, raha tokony hapetaka amin’ny biraom-panjakana izany. Natao izany ialàna amin’ny kolontsaina fanandratana olon-tokana sy ho fampiharana ny politikan’ny fitsitsiana. Hiverina hifampidinika amin’ny Sadc ny eo anivon’ny Antenimierampirenena, rahampitso. Efa nisy ny fihaonana savaranonando […]

Praiminisitra sy ny masoivoho frantsay: Manohana ny tetikasan’ny governemanta i Frantsa

Manohana ny fitondram-panjakana. Nitsidika ny Prai­minisitra, lehiben’ny governemanta, Rajaonarivelo Herin­tsa­lama Andriamasy, teny amin’ny Lapam-panjakana Ma­hazoarivo, omaly, ny ma­soivohon’i Frantsa, Arnaud Guillois. Teo koa ireo delegasionina notarihiny. Nosori­tan’ny Praiminisitra tamin’izao fifanakalozan-kevitra izao ireo lalantsaina sy vina hampanjariana ny fanavaozana sy ny fanarenana ny firenena. Ni­fantohana tanteraka ireo dingana ho atao mba […]

Fitantanana fokontany : Hahemotra amin’ny fotoana tsy voafaritra ny fifidianana

Tsy hotanterahina amin’ny alahady izao indray. Hahemotra amin’ny fotoana tsy voafetra ny fifidianana filoham-pokontany eto Antananarivo, araka ny nambaran’ny prefet Antananarivo. Tsy raikitra amin’ny alahady izao ny fifidianana filoham-pokontany eto Antananarivo, araka ny bai­kon’ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Atitany. “Ny antony tena nahatonga anay nandray ilay fepetra, betsaka ireo mimenomenona. Betsaka […]