Nisokatra amin’ny fomba ofisialy omaly, teny Ivato, ny fikaonandoham-pirenena. Nitarika izany ny eo anivon’ny FFKM. Nisy sy hafatra sy fanentanana nataon’izy ireo tamin’izany. “Andao àry samy hitondra ny anjara biriky isika, hoporofoina fa afa-mifampiresaka sy mifandresy lahatra ary mifampihaino am-pitoniana sy am-panajana isika mba ho hita taratra sahady ny fanovana […]
Politika
FANTINA sy FINTINA
Nanamafy ny FFKM fa anisan’ny nasaina ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry, amin’ny fanokafana ny fikaonandoham-pirenena, anio, eny Ivato. Nambaran’izy ireo fa misokatra ho an’ny rehetra ny fandraisana anjara amin’izany. « Diniky ny samy Malagasy ary vatsian’ny Malagasy vola », hoy izy ireo. Mbola hisy fampiofanana sy fanamafisana traikefa ho an’ireo hiatrika […]
Dr kolonely Zafitasondry Marcellin : “Sahia mitoroka trangana kolikoly ianareo vahoaka”
“Raha misy trangana kolikoly aminareo vahoaka, sahia mitoroka”, hoy ny mpanolotsaina avo eo anivon’ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Dr kolonely Zafitasondry Marcellin, tamin’ny fitokanana ny birao vaovaon’ny Bianco, 104 tapitrisa no nanamboarana azy, izay fandraisana fitarainana tsy lavitra ny Lapan’ny fitsarana, Anosy, tao anatin’ny Andro iraisam-pirenena hiadiana amin’ny […]
Filoha vaovaon’ny Ceni, Rakotonarivo Thiery ; « Miankina amin’ny fikaonandoha ny hoavin’ny fifidianana »
Nandray ny fitantanana ny Ceni ny filoha vaovao, Rakotonarivo Thierry, omaly, rehefa nametra-pialana ny filoha teo aloha, Andrianarisedo Dama Arsène. Niova ny birao ary napetraka ny laharam-pahamehana. Nambaran’ny filoha vaovao ity rafitra mikarakara ny fifidianana ity fa anisan’ny laharam-pahamehana aloha izao ny fikaonandoham-pirenena. Hamaritra ny dingana rehetra hatao eto amin’ny […]
FANTINA sy FINTINA
Tokony hanapitra ny fe-potoam-piasan’ny filoha teo aloha, Rajoelina, ny filoham-panjakana amin’izao fotoana izao, araka ny fanehoan-kevitry ny eo anivon’ny Panorama. « Mametraka ny drafitry ny fanovana notakiana hatramin’izay izy ireo amin’izany. Tsy maintsy hirosoana ny fanatsarana ny tokotanim-pifidianana», hoy izy ireo. Hentitra ny minisitry ny Fanajariana ny tany, ny Jly Lylyson René […]





