Politika

Fiaraha-miasa amin’i chine : Ho fanatsarana ny fiainam-bahoaka ny Sinoa

Mikendry ny hanamafisana ny tombontsoa ara-drariny, hanatsarana ny fiainan’ny va­hoaka, ary hanohana ny fanatanterahana miaraka ny tetikasa “ Ceinture et route” ny fiaraha-miasa vaovao eo amin’i Chi­ne sy i Madagasikara. Na­neho fahavononana amin’ny fiarovana ny fiandrianam-pirenena sy ny tanin’ny firenena ry zareo Sinoa. Nivoitra ireo ta­min’ny nandraisan’ny filoham-panjakana, Randrianirina Michaël […]

Fihaonana tamin’ny governemanta: Manahy ho voailika amin’ny fanavaozana ny Gen Z

Nifanakalo hevitra tamin’ny governemanta ireo fikambanana tanora sasany, omaly. Nahitana ny avy amin’ny « Collectif du mouvement Gen Z Madagascar », ka anisany ny Gen Z Mada, Gen Z Ankatso, Poly­téchnique, Tolombahoaka, Assedu-Mada ,Taninjanaka Free. Nanao fanambarana izy ireo taorian’izany fa mi­taky ny sata mazava hi­fehy ny Tetezamita ifanarahana sy eken’ny rehetra. […]

Fikaonandoham-pirenena: Mitsipaka ny fanilikilihana ny Irmar

Nitondra ny heviny ma­noloana ny fikaonan­doham-pirenena ireo solontenan’ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry, teny amin’ny CCI Ivato, omaly. Nahitsy izy ireo. « Takinay ny tsy hisian’ ny fifanilihana ary aoka tsy ho resaka fotsiny izany fa haseho amin’ny fomba fiasa », hoy ny filohan’ny mpanohitra eny amin’ny Antenimieram­pire­nena, Milavonjy Philobert. No­tsiahiviny fa […]

FANTINA sy FINTINA

Nanao fanambarana miaraka ireo filoham-piangonana efatra eo anivon’ny FFKM noho ny fiparita­han’ny vaovao tsy marina sy tsy marim-pototra momba ny fanasana ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry, hiatrika ny fikaonandoha. « Tsy mahalala ary tsy nanasa sy tsy ambadiky ny fanaparitahana izany fanasana izany izahay », hoy izy ireo, afakomaly. Hentitra ny […]

very zom-pirenena : Tsy afa-manao hetsika politika

“Voailika ho azy, avy ha­trany, ao anatin’ny lisitry ny mpifidy ary tsy manan-jo hirotsa-kofidina na hifidy intsony izay very zom-pirenena mala­gasy. Tsy mahazo manao he­tsika ara-politika, na mivan­tana na ankolaka, amin’ny raharaha ara-politika eto amin’ ny tanin’ny Repoblikan’i Mada­gasikara koa”. Io ny fanambaran’ny fitaleavan’ny Serasera eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana, voaray […]