“Tokony ho voafehin’ny lalàna hatrany ny mpanao gazety amin’ny fanatanterahany ny asany, fa tsy misy eo ambonin’ny lalàna. Eny, na tsy teratany ao amin’ny firenena: tokony hofehezin’ny lalàna eo amin’ny firenena iasany”. Io ny nambaran’ny filohan’ny Holafitry ny mpanao gazety, Rasoloarison Monica Harimbola, tao amin’ny haino aman-jery tsy miankina iray, […]
Politika
FANTINA sy FINTINA
Niantso ny mpitondra hiala amin’ny fitiavan-tena sy ny fitiavan-karena ny hafatry ny eveka tany Morondava, ny alahady teo. « Ampiasaina hoentina mitia sy manompo ny mpiara-belona ny fahefana fa tsy ho amin’ny fitiavan-tena », hoy izy ireo. Tsiahivina fa naharitra telo andro ny hetsiky ny vovonan’ny olon-dehibe, eo anivon’ny Ekar. Hiompana eo […]
Praiminisitra Ntsay Christian : « Tsy kisendrasendra ny fahombiazana »
Nitondra fanazavana ny momba ny fanatanjahantena sy ny lafiny kolontsaina ny praiministra Ntsay Christian, omaly, tamin’ny fananganan-tsaina teny Mahazoarivo. « Tsy kisendrasendra no nahazoana fahombiazana tahaka izao, ka isaorana ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, amin’ ny vina ananany momba ny tanora sy ny fanatanjahantena. Eo koa ny fanohanany manokana ny Barea […]
Justice et Paix : « Ilaina ny mangarahara ao anatin’ny fanjakana tan-dalàna »
Nahitsy ny eo anivon’ny Vaomieran’ny eveka Justice et Paix, eo anivon’ny Fivondronamben’ny eveka (Fem), amin’ny hafatra nampitainy, indrindra ny momba ny fiainam-pirenena «Izao fotoana izao indrindra no ilana apetraka ny mangarahara ao anatin’ ny fanjakana tan-dalàna», hoy ny hafatry ny Vaomieran’ny eveka Justice et Paix eo anivon’ny Fivondronamben’ny eveka eto […]
FANTINA sy FINTINA
Miahiahy ny ain’ilay vahiny voasaringotra amin’ny « Raharaha Boeing 777 » ny mpisolovava azy, Rafidison Eric. Nambarany fa takiny hatrany ny hiarovana an’ilay tompon’ny orinasa Udaan aviation, Khuhwinder Singh. « Tsy jiolahy ny olona arovanay », hoy ihany izy. Tsiahivina fa miisa 22 ireo nampidirina am-ponja amin’io raharaha io. Nampiaka-peo ny avy amin’ny mpanohitra, […]




