Hivoaka tsy ho ela ny anaran’izay ho Praiminisitra, handimby an’i Ntsay Christian. Efa lasa any amin’ny filohan’ny Repoblika ny anarana avy amin’ny ankolafin-kery samihafa. Misy miaramila, politisianina, mpandraharaha ara-toekarena. “Zava-dehibe ny naneken’ny vondrona Irmar ny fisokafana. Raha ny And. 54 ao amin’ny Lalàmpanorenana, ny vondrona parlemantera maro anisa ao amin’ny […]
Politika
Fihaonana teny Iavoloha : Nivavaka ho an’ny firenena ny filoha sy ny FFKM
Nambaran’ny filoha Rajoelina Andry fa maromaro ireo fihaonana marolafy nandraisany olona samihafa tao anatin’ ny 72 ora teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha. Anisan’izany ny eo anivon’ny FFKM ka niresahana ny toe-draharaham-pirenena. « Nandray ireo filoham-piangonana efatra mirahalahy eo anivon’ny FFKM aho. Nidinika lalina ny amin’ny toe-draharaha misy eto an-tanindrazana amin’izao fotoana izao […]
FANTINA sy FINTINA
Naneho hevitra ny avy amin’ny antoko ARB, tarihin-dRaobelina Andry. Nambarany fa hetsi- bahoaka izao ka tsy azo sakanana ny herim-bahoaka rehefa mifoha. Nitsangana ny vahoaka malagasy rehefa tena reraka sy leo ary tapa-kevitra. « Asesiky ny fitiavan-tanindrazana sy ny faniriana ho amin’ny fiovana marina izany », hoy izy. Naneho hevitra ny depiote […]
Hetsika nahazoana alalana : Hampiseho ny tanjany eny Antsonjombe ny Irmar
Anio vao tena raikitra ny hetsika hotarihin’ny eo anivon’ ireo vovonana mpanohana ny filoha Rajoelina Andry, iarahana amin’ny Irmar. Haneho ny heriny amin’ny fanohanana ny fitondrana izy ireo amin’izany. Nambaran’ny eo anivon’ny Prefektiora, amin’ ny alalan’ny Jly Ravelonarivo Angelo, mitarika ny OMC, fa nomena alalana izy ireo amin’ izany hetsika […]
Filoha Rajoelina Andry : “Tsy misy ady tsy voavahan’ny fifampiresahana”
Mandalo fotoan-tsarotra i Madagasikara, amin’izao. Korontana, ady… “Tsy misy korontana sy ady ary ifandrafesana tsy voavaha ao anatin’ny fifampiresahana”, hoy ny tafan’ny filoha Rajoelina Andry tamin’ny vahoaka. “Tsy misy korontana sy ady ary fandrafesana tsy voavaha ao anatin’ny fifampiresahana eo ambony latabatra. Izay no niantsoako ny ankolafin-kery sy mpitondra fivavahana […]




