Nosavaina omaly ny tranon’ny minisitra teo aloha, Andriantsitohaina Naina, etsy Andranobevava. Nanatanteraka izany ireo mpitandro filaminana nanao fanamiana sivily. Voalazan’ny loharanom-baovao iray fa anisan’ny anton’izany ny «Raharaha Cnaps sy ny SMGD», orinasa eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Tsy hita teny an-toerana, tamin’ny fisavana anefa, ny minisitra teo aloha, Andriantsitohaina Naina, […]
Politika
FANTINA sy FINTINA
Telo ireo fanendrena nofoanan’ny filankevitry ny minisitra ny faran’ny herinandro teo. Anisan’ izany ny nanesorana an-dRakotomanga Rinah teo anivon’ny masoivohon’i Sina. Tahaka izany koa ny mpanolontsain’ny masoivoho ao Frantsa, Randimbiarisoa Mishou, ary ny nanalana ny masoivoho atsy Maorisy, ny Jly Camille Vital. Nofoanana ny fepetra tsy fahafahana mivoaka an’i Madagasikara […]
Tsy fahazoana mivoaka an’i Madagasikara: Miisa 34 ireo olom-panjakana ambony teo aloha
“Mandrara ny fivoahana an’i Madagasikara ho an’ireo olom-panjakana ambony, miisa 34 teo anivon’ny fitondrana teo aloha, ny didy fanapahana, lah. 286 noraisin’ny minisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, ny 31 oktobra 2025.” Io ny fampahalalam-baovao avy amin’ny minisiteran’ny Fitsarana, ny faran’ny herinandro teo, momba ireo olom-panjakana ambony teo amin’ny fitondrana […]
Sampam-pitsikilovana malagasy (CIS) : Nahatratra basy dimy, vola 2 miliara Ariary
Nilaza ny tale jeneralin’ny CIS, afakomaly, fa nahatratra 2 miliara Ariary sy basy dimy izy ireo. Saika hoenti-mamono ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Mickaël izany, raha ny voalaza. “Tsy kilalao io, fa tena sangy mihoatra ny loha”, hoy ny tale jeneralin’ny Central intelligence service (CIS), ny contrôleur général de Police […]
Lake Village : Nomena an’ireo mpianatry ny Oniversite
Natolotry ny Fiadidian’ ny Fanavaozan’ny Repoblikan’i Madagasikara, izay tarihan’ny Filoha Kolonely Randrianirina Michaël, sy ny misiteran’ny Fanajariana ny Tany ho an’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa tamin’ny alalan’ny Filohan’ny Oniverisiten’ Antananarivo omaly, ireo trano “Lake Village Ivato”, etsy Tsarasaotra. Mpianatry ny Oniverisite miisa 700 mahery eo no hapetraka […]





