“Tsy miala amin’ny hetahetam-bahoaka ny soso-kevitra. Mizara dingana telo lehibe izany farafahakeliny”, hoy ny fanazavan’ny filohan’ny Filankevitra ambony miaro ny demokrasia sy ny fanjakana tan-dalàna (HCDDED), Ranadialison Angelo. Taorian’ny fitsidihana ara-pomba fifanajana tamin’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny Kly Randrianirina Michaël, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, tamin’ity herinandro ity no […]
Politika
Fanorenana iarahana amin’ny FFKM : Hatao amin’ny herintaona ny fikaonandoham-pirenena
Tsy ho tratra amin’ity taona ity. Andrasana ny andro hanatanterahana ny fihaonambem-pirenena karakaraina sy tarihin’ny FFKM miaraka amin’ny fitondram-panjakana. Tafiditra amin’ny famahana olana sy fiatrehana ny fanorenana ifotony ny Repoblikan’i Madagasikara ny fanatanterahana izany. Tombanana ho any amin’ny telo volana voalohan’ny taona 2026 ny hirosoana amin’ny fikaonandoham-pirenena, araka ny loharanom-baovao. […]
FANTINA sy FINTINA
Nesorina tamin’ny toerany ireo tale jeneraly maromaro eo anivon’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, araka ny tatitry ny filankevitry ny minisitra, omaly. Voatendry ho tale jeneralin’ny Sampandraharaham-pirenena miady amin’ny hosoka « Agence nationale anti-fraude » kosa ny Kly Andrianasoavina Charles. Hanao fitsirihana ireo minisitera sy Andrimpanjakana ny mpisafo raharaham-panjakana (IGE). Haharitra 90 […]
Maka Alphonse : “Tsy manan-jo hanao fahadisoana intsony isika”
“Io no hamaritra ny dingana mandritra ny Tetezamita. Kihon-dalana ho an’ny firenena izao. Tsy manan-jo hanao fahadisoana intsony isika”. Io ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny Conseil du fampihavanana malagasy (CFM) teo aloha, i Maka Alphonse. Homanina sy halamina ary hatao tsara ny raharaha. Tsy maintsy miainga any ifotony ny fihaonambem-pirenena. Farafaharatsiny […]
Fiaraha-miasa amin’ny Vondrona eoropeanina : Hafaiganina ireo tetikasa famatsian-jiro sy rano
Fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena eto Madagasikara. Io no anisan’ny nifantohan’ny dinika teo amin’ny ambasadaoron’ny Vondrona eoropeanina, i Roland Kobia sy ny praimanisitra, Rajaonarivelo Herintsalama, teny Mahazoarivo, omaly. Voaresaka tamin’izany ny amin’ny ho fizotry ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta. Nampahafantarin’ny vahiny ny fikasan-dry zareo hanokatra indray ny famatsiam-bola sasany, izay voasakana nandritra […]





