Politika

FANTINA sy FINTINA

Efa tonga eto ny iraky ny Vondrona afrikanina, Mohamed Idriss Farah. Nitsena azy teny Ivato ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Razanamahasoa Christine. Anton-diany eto ny hanelanelana ny fifampiresahan’ny samy Malagasy, hiverenana amin’ny Lalàmpanorenana. Hihaona amin’ny ankolafin-kery samihafa, tahaka ny nataon’ny iraky ny Sadc izy ireo. Niresaka ny famahana olana momba ny […]

HCC – filohan’ny repoblika : “Azo atao ny fanemorana ny fifidianana”

Azo atao eo ambany fanaraha-mason’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) ny fanemorana ny fifidianana filohan’ny Repoblika, araka ny fanapahana lah. 13-HCC/D3, tamin’ny 6 novambra lasa teo, ny amin’ny fangataham-panazavana ny And. 4 amin’ny fanapahana lah.10-HCC/D3 tamin’ny 14 oktobra. Izany dia noho ny fanamba­ran’ny HCC ihany tamin’ny fanapahana lah.10-HCC/D3 fa […]

Vovonana mahitsy fijery: « Ilaina tarehimarika mazava ny fitsitsiana atao »

Nitondra ny heviny manoloana ny toe-draharaham-pirenena ny eo anivon’ny Vovonana mahitsy fijery, tarihin-dRavololomanana Lalatiana. Maromaro ireo fitakiana nambaran’izy ireo tamin’izany. Nohitsin’ity vovonana ity fa mila mazava ny fepetra sy ny fandraisana andraikitry ny mpitantana ho fanitsiana sy fanovana, miainga amin’ireo teboka efatra tamin’ireny famindram-pahefana amin’ireo minisitra miisa 28 ireny. Eo […]

Fanefana trosa : Miantso fifampiresahana amin’ny Cnaps ny SMGD

Nitondrana fanazavana, taorian’ny fanambaran’ny tale jeneralin’ny Cnaps, ny eo anivon’ny SMGD. Voaresaka ny momba ilay trosa mitentina 11 miliara Ar. «Tsy mitsoaka velively amin’ny famerenana ny trosa ananan’ny Cnaps aminay izahay. Man­gataka kosa anefa ny fifampiresahana ho famahana ny olana », hoy ny tale jeneralin’ ny SMGD, Andriamana­niony Thierry. Nohamafisiny fa tsy […]

FANTINA sy FINTINA

Nametrahana tsangambato ahitana ny sarin’ny amiraly Didier Ratsiraka mianakavy ao Vatomandry. Tafiditra amin’ny fahatsiarovana ny 4 novambra, daty nahaterahany izany. « Tranokely vita amin’ny fomba nentim-paharazana no nilatsahan’ny tavoniny. Niainga tamin’ny kely indrindra izy ary nisondrotra ka lasa filoham-pirenena », hoy ny zanany, Ratsiraka Sophie. Hitsidika ny atsy Maorisy ny filoha frantsay, […]