Nandefa taratasy eny amin’ny HCC ireo minisitra teo aloha isany, Sahondrarimalala Marie Michelle sy Razafinjato Aurélie mba hiverenan’izy ireo ho depiote indray. Voafidy tao Fianarantsoa sy Vohibato izy ireo fa voatendry minisitra tamin’ny fitondrana Rajoelina. Niakatra ho depiote ireo mpisolo toerana. Hiverina eny Tsimbazaza izany izy roa vavy. Hisokatra sy […]
Politika
Raharaham-pirenena : Mijoro hiaro ny tolona sy hanara-maso ny asa ny KMT
“Najoro ny Komity miaro ny tolona (KMT) mba hiaro ny tolona natao”, hoy ny fanambaran’izy ireo, notarihin’ny mpandrindra nasionaly, Rakotomavo Lanto, teny Mahamasina, omaly, manoloana ny toe-draharaham-pirenena. Mba hanarenana sy hamerenana an’i Madagasikara sy ny Malagasy eo amin’ny toerana tena sahaza azy no antony itsanganany. Hitondrana koa ny fanavaozana eo […]
Famafana sazy : Ho avy hifampiresaka ny iraky ny Vondrona afrikanina
Handefa iraka ho avy eto Madagasikara ny eo anivon’ny Vondrona afrikanina (UA). Hanelanelana sy hitady vahaolana manoloana ny raharaham-pirenena izy ireo, indrindra taorian’ny nilatsahan’ny sazy ho an’i Madagasikara. Ho avy indray ny iraka manaraka. Notendren’ ny filohan’ny vaomieran’ny Vondrona afrikanina (UA), ho iraka manokana ho avy eto Madagasikara tsy ho […]
FANTINA sy FINTINA
Nivoaka amin’ny fahanginany ny filoha nasionalin’ny RDS, Rakoto Andrianirina Fetison. Nambarany fa ilaina ny fampihavanana ahafahana manangana firenena, mba hirindra sy handroso. « Tsy azo havaozina ny firenena raha tsy voavaha aloha ny ratram-po sy ny tsy fitoviana », hoy izy amin’izao fiovana eto amin’ny firenena izao. Tsiahivina fa izao indray vao […]
Rabary Paul : “Tsy fanovana olona fa rafitra ny fanorenana”
“Ao anatin’ny hoe fanorenana ifotony: tsy manova olona, fa manova rafitra”, hoy ny fanehoan-kevitry ny filoha mpanorina ny antoko Ny Fireneko, Rabary Paul, manoloana ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana izao. Fanovana rafitra ny fanovana. Misy lalan-tsaina telo amin’ny Lalàmpanorenana eto Madagasikara. Nanomboka tamin’ny taona 1960 ka hatramin’izao, lalàmpanorenana mametraka fanjakana miainga […]





