Nampita hafatra sy naneho fisaorana, taorian’ny nampitsaharana ny governemantan’ny Praiminisitra Ntsay Christian, ny minisitra teo aloha nisahana ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Andriantsitohaina Naina. Mazava ny fanehoan-keviny tamin’izany. «Miankina amin’ny fandraisan’anjaran’ny tsirairay hatrany ny fandrosoan’ny firenentsika», hoy izy. Nialoha izany, nitondra fampahatsiahivana vitsivitsy ny tenany ka nambarany […]
Politika
FANTINA sy FINTINA
Nilaza ho efa mahafantatra ireo tompon’andraikitra tamin’ireo fandrobana ny eo anivon’ny Emmo/Nat, omaly. “Efa fantatra koa ireo mpamatsy vola ny fandrobana ary misy koa ireo efa namerina ny entana norobaina. Mitohy ny fanadihadiana handraisana fepetra haingana », hoy ny mpitondra teny, ny Jly Ravoavy Zafisambatra. Nahemotra ho amin’ny 8 ora […]
Depiote irmar : Manamafy ny fanohanany ny Filoha
Manoloana ny toe-draharaha miseho eto Antananarivo sy tamin’ireo tanàn-dehibe maro, nanao fanambarana ny Solombavambahoakan’i Madagasikara ao anatin’ny vondrona Irmar, omaly, tetsy amin’ny Antenimierampirenena Tsimbazaza. Nilaza izy ireo fa miombona alahelo sy ny miara ory amin’ireo fianakaviana very havana, ary mankahery ireo naratra sy very fananana. Manameloka ihany koa ny herisetra, […]
Nifona ny Filoha Rajoelina Andry : Noravana ny governemanta !
Nifona tamin’ny tsy fahombiazan’ny governemanta napetrany ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Noravany, halina izany. Ho fantatra anatin’ny 72 ora izay ho mpandimby ny praiminisitra Ntsay Christian. Nambaran’ny filoha Rajoelina Andry tamin’izany fa henony ny fitakiana ary nifonany raha misy tsy nahavita ny andraikiny ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta. Tsy namaly […]
Filoha Rajoelina Andry : « Hamboarina tanteraka ny fitantanana firenena »
Tafaverina, afakomaly, ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. « Tsy manome tsiny izay nanao ireny zavatra ireny aho satria tena nilaina ireny. Raha misy ny alahelonareo dia alefaso aty amiko. Hamboarintsika tanteraka ny fitantanana ny firenena », hoy izy. «Tsy maninona, alefaso aty amiko ny alahelo sy ny hatezeranareo fa zakaiko. Tsy ny […]




