Miantso fifampidinihana maika ny eo anivon’ny sendikà Fisema, manoloana ny raharaham-pirenena. Hatao izany hamerenana haingana ny fiainam-bahoaka sy ho fisorohana ny lonilony eo amin’ny fiarahamonina. « Miantso ny olon-kendry sy ny manam-panahy sy hifanatona hamory ireo herivelona, hikarohana vahaolana », hoy izy ireo. Nidera ireo tanora eo anivon’ny Gen Z nitarika ny […]
Politika
Toe-draharaham-pirenena: Miantso fivoriana tsy ara-potoana ireo depiote
“Manambara izahay fa hiantso fivoriana tsy ara-potoana hahazoana mandinika sy mijery vahaolana haingana sy maharitra hamahana ny olan’ny firenena, na ara-tsosialy, na ara-politika, na ara-toekarena sy ny rehetra araka ny tandrifim-pahefana nomen’ny lalàmpanorenana anay.” Izay ny fanambaran’ireo depiote tsy anavahana firehana politika nentin’ny mpitondra teny, ny depiote Razafimanantsoa Hanitra, teny […]
Toe-draharaham-pirenena : Miantso fifampiresahana ny filohan’ny FJKM
Anisan’ny nanao fanambarana koa ny eo anivon’ny birao foibe FJKM, amin’ny alalan’ny filohany, Andriamampianina Zaka Harimasy. Niompana amin’ny toe-draharaham-pirenena izany hafatra izany. Niantso ny rehetra hampiato ny fifampihantsiana miseho amin’ny endrika maro samihafa ny tenany tamin’izany. « Mitaona antsika ho amin’ny fifampidinihana sy ny fifampiresahana mba hisian’ny filaminana sy ny fiainam-piarahamonina […]
Birao vaovaon’ny SIDPFM: Hihatsara ny tolotra amin’ny fananantany
Tafatsangana tamin’ity herinandro ity ny biraon’ny Sendikan’ny inspekteran’ny fananantany (SIDPFM), eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT). Nambaran’ny filoha mpitarika, Rajaobelina Vavitiana, fa anisan’ny foto-kevitra ijoroan’izy ireo ny fametrahana amin’ny toerany izany sendikà izany. « Eo koa ny fijoroana ho amin’ny fiarovana sy ny fitakiana ny tombontsoan’ny mpikambana […]
Fivorian’ny OMC sy ny praiminisitra ; Ho hentitra ny fepetra ho an’ireo mandika lalàna
Nivory, afakomaly alina, ireo tomponandraikitra ambony eo anivon’ny fitandroana ny filaminana (OMC). Nitarika izany ny praiminisitra lehiben’ny governemanta, Ntsay Chrisitian. Nivoitra tamin’izany fa ho hentitra sy ho henjana ny fepetra ho an’ireo mandika ny lalana sy ny minia manakorontana eto amin’ny firenena. Haverina amin’ny laoniny ny filaminana, araka ny nambaran’izy […]




