Politika

Praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama : « Tsy azo ekena ny kolikoly sy ny gaboraraka »

Nitarika ny fananganan-tsaina voalohany teny amin’ny Lapam-panjakana Mahazoarivo, omaly, ny praiminisitra, Rajaonarivelo Herintsalama Andriamasy. Nisy hafatrafatra sy toromarika nomeny ho an’ireo mpiara-miasa. Hentitra sy nahitsy. Ani­san’ny nasongadiny ta­min’ny lahateniny ny toetra tokony hananan’ny tsirairay eo am-panatanterahana ny asany. Anisan’izany ny soatoavina fototra miisa telo. Eo ny fanajana sy ny fihavanana […]

FANTINA sy FINTINA

Nanazava ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomanana Marc, fa tonga ny fotoana tsy azo ihodivirana hirosoana amin’ny fifidianana madio, eken’ny rehetra ary mangarahara. Anisan’ireo efa miomana amin’izany izy ireo ka antony nialan’ny Tim tao amin’ny vovonana Firaisankina, araka ny nambarany ny zoma teo. Noraisin’ny Praiminisitra Rajaonarivelo Herin­tsalama teny Mahazoarivo, ny zoma […]

KMF/Cnoe : “Mila hanaovana fitsirihana ny andrimpanjakana”

Naneho ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena ny eo anivon’ny KMF/Cnoe. Anisan’ny nambaran’izy ireo ny hitsirihana ny sehatra rehetra. “Miantso ny handraisan’ny fanjakana andraikitra amin’ny fitsirihana ny fitantanana ny raharahan’ny andrimpanjakana rehetra sy ny governemanta izahay”. Io ny fanehoan-kevitry ny eo anivon’ny fikambanana KMF/Cnoe Fanabea­zana olom-pirenena, tarihin’ny filoha nasionaliny, i Name­arison […]

Fanapahan’ny governemanta : Niala tsy ho mpitarika ny Sadc i Madagasikara

Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny fiadidiana ny fanavaozana ny Repoblika, ny sabotsy teo. Nisongadina amin’izany ny momba ny andraikitr’i Madagasikara eo anivon’ny Sadc. «Nanapa-kevitra ny governemantan’ny Repoblika fa hiala amin’ny fiadidiana ny Sadc. Andraikitra noraisina ny 17 aogositra teo tamin’ny fihaonana an-tampony nataon’ireo filoham-panjakana eo anivon’ny Sadc izany », hoy ny […]

FANTINA sy FINTINA

Nilatsaka ny didy tsy fahazoana mivoaka an’i Madagasikara (IST), ho an’ny minisitra teo aloha, Sahondrarimalala Marie Michelle, sy ny mpiara-dia amin’ny fitondrana teo aloha, Rinah Rakotomanga. Niainga avy eo anivon’ny minisiteran’ny Atitany izany didy izany. Midika ireo fa mbola hisy fanadihadihadiana hatao amin’izy ireo. Fifandaminana eo anivon’ny Antenimieram­pirenena ny fifidianana […]