Politika

FANTINA sy FINTINA

Niantso ireo tanora Gen Z any amin’ny faritra ny eo anivon’ny mpitarika sy ny foiben’izy ireo mba hanohy ny hetsika, tamin’ny omaly. Nanentana ny mpikambana izy ireo mba tsy hihantsy ny mpitandro filaminana ary hisambotra ireo mpandroba. « Aoka koa isika hanalavitra ny faritra mena… Mampahery antsika », hoy izy ireo. Nanentana […]

FFKM : “Mitaona ny rehetra hifampiresaka”

“Mitaona ny rehetra ny FFKM hifanatona, hifamela heloka hirosoana amin’ny fifampiresahana ho fitadiavam-bahaolana maharitra sy haingana, hitondra amin’ny fihavanana sy ny fandrosoana hisitrahan’ny vahoaka rehetra ny zo fototra tokony ho azy, toy ny jiro, rano, fitoniana, fihariana, filaminana, fandriampahalemana…”. ”Iza amin’ny raim-pianakaviana angatahan-janany trondro ka tsy hanome azy trondro fa […]

Filoha Rajoelina Andry: Nesoriny ny minisitry ny Angovo

Nanao fanambarana tao amin’ny fahitalavi-pirenena, halina, ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Nandritra izany no nanesorana ny minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo, Olivier Jean-Baptiste. Nivoaka tamin’ny fahanginany ny filoham-pirenena malagasy, Rajoelina Andry, halina. Nesoriny tamin’ny toerany ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo, Oli­vier Jean-Baptiste, izay nambarany fa tsy nahavita […]

Hetsika « Leo delestazy »: Manameloka ny fikasihan-tanana mpanao gazety ny OJM

Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM) manoloana ny tranga niseho tamin’ny hetsika « Leo delestazy sy rano », omaly. «Manameloka ny fi­kasihan-tanana nataon’ny mpitandro filaminana ny mpanao gazety raha nanao ny asany nanamarika ny zava-nitranga iny izahay », hoy izy ireo. Nanterin’ny OJM fa nanatanteraka ny adidiny amin’ny fanomezana […]

Depiote Rakotondrasoa Fetra : “Tsy mitondra afa-tsy fahantrana ny korontana”

“Efa nataontsika ny nandoro tanànan’olona sy fananam-panjakana, efa nataontsika ny nanongam-panjakana tamin’ny alalan’ny miaramila… Fa tsy nitondra na inona na inona afa-tsy fahantrana ho an’ny firenentsika.” Io ny fanehoan-kevitry ny depiote voa­fidy tao Miarinarivo tamin’ny anaran’ny Irmar, Rakotondra­soa Fetra, afakomaly, talo­han’ny toe-draharaha, omaly. Tsy miaro an’ireo tomponandraiki-panjakana mihoa-pefy sy tsy […]