Ankoatra ny fampandehanan-draharaham-panjakana, miantoka ny fiarovana ivelany amin’ny alalan’ny diplaomasia sy ny fiarovana ny lafintany ny governemanta. Eo koa ny fiantohana ny filaminana anatiny sy ny fitandroana ny filaminam-bahoaka. Andrana famakafakana… Ny teny hoe governemanta dia niseho tamin’ny taonjato faha-XII, avy amin’ny matoanteny latinina ary mifandray na nindramina avy amin’ny […]
Politika
Diamar : Manameloka ny fampisaraham-bazana ny samy Malagasy
Manoloana ny raharaham-pirenena amin’ izao fotoana, namoaka fanambarana iombonana ireo fikambanana, antoko politika, olom-pirenena tsora sy ireo Malagasy mila ravinahitra any Eoropa mivondron ao amin’ny Diamar, omaly, tany Paris. Voalazan’izy ireo amin’izany fa tsy fitakiana tsotra momba ny fahatapahan-jiro sy rano no voizina’ny mpanohitra amin’ izao fa fikasana hanozongozona fanjakana […]
fiarahamonina sivily: Tsy tokony hitsara ny Ceni
“Vao haingana izao, misy milaza fa tsy manara-dalàna ny Ceni. Andraikitra fiarahamonina sivily ve no tonga dia mitsara hoe tsy manara-dalàna ny Ceni?”. Io ny nambaran’ny kaomiseram-pifidianana eo anivon’ny Ceni, Ravalitera Jacques Mickaël, teny Alarobia, omaly, manoloana ny fanatanterahana fifidianana loholona amin’ny 11 desambra. Tokony hovakiana aloha ny lalàna vao […]
FANTINA sy FINTINA
Handao tanteraka ny tontolo politika ny filoham-boninahitra sady mpanorina ny antoko Asa vita no ifampitsarana (Avi), Ratsirahonana Norbert Lala, ary hamindra ny toerany amin’ny mpikambana amin’ny kongresy nasionaly. Efa filohan’ny HCC teo aloha izy, filoham-panjakana mpisolo toerana ary efa nirotsa-kofidina filohan’ny Repoblika ihany koa. “Vao nahazo Fahaleovantena i Madagasikara dia […]
Fivoriamben’ny ONU : Mitondra ny feon’ny Sadc ny filoha Rajoelina Andry
Tsy misolo tena an’i Madagasikara fotsiny, fa ny firenena mandrafitra ny Sadc, ny filohan’ny Repoblika malagasy, Rajoelina Andry. Mitondra ny tenin’ny mpikambana mandritra ny fankalazana ny faha-80 taonan’ny Firenena mikambana izy Hitondra ny feon’i Madagasikara ny filoha Rajoelina Andry amin’izao fivoriana faha-80 ataon’ny eo anivon’ny Firenena mikambana (ONU) any New […]




