Nahitsy ny mpisolovava ny fianakavian’ireo namoy ny ainy, amin’ny “Raharaha Ambohimalaza”, ny Me Rafidison Eric. Nambarany fa lasa mampitombo ny marina tsy fantatry ny vahoaka ny lazain’ireo manampahefana. “Mbola tsy nahafantatra ilay singa nahatonga ny famosaviana isika. Angatahina ny hivoahan’ny tena marina”, hoy izy. Nambaran’ny loholona Lalatiana Rakotondrazafy, fa tsy […]
Politika
Fitantanana ny fananantany : Nankasitrahin’ny Banky iraisam-pirenena ny MFFT
Mandalo eto Madagasikara ireo iraka manokana ara-teknika eo anivon’ny Banky iraisam-pirenena. Noraisin’ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Andriantsitohaina Naina, tetsy Anosy izy ireo, omaly. Voaresaky ny roa tonta ny fizotry ny fanadihadiana momba ireo tetikasa atao mba hahafahana mametraka paikady eo amin’ny fananantany. Nohazavain’ny minisitra tamin’ireto […]
Fanapoizinana teny Ambohimalaza : Hanazava ny toe-draharaha ny filoha sy ireo minisitra
Hampanantsoin’ny filoha Rajoelina Andry eny Iavoloha ireo minisitra tomponandraikitra mahakasika ny fanapoizinana niseho teny Ambohimalaza. Hivantana amin’ny TVM/RNM izany ny alakamisy alina izao. Nambaran’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, tao amin’ny pejy “Facebook” ny, omaly, fa mametraka ho laharam-pahamehana hatrany amin’ny fanambarana ny marina manoloana ny vahoaka malagasy ny tenany, indrindra […]
Fiaraha-miasa amin’ny GIZ : Mitaky mangarahara hatrany
Manamafy ny fitantanana mangarahara amin’ny fiaraha-miasa ny “Deutsche Gesellschaft für Internationale Zusammenarbeit – GIZ”, Alemana, amin’i Madagasikara. Niompana amin’izany fangaraharana izany ny fampahafantarana ny GIZ tamina faritra maro teto Madagasikara notanterahina ny herinandro teo. Anisan’ny nasongadina tamin’izany ny fametrahana ny fitantanana mangarahara sy ara-drariny amin’ny fomba fanao. Tafiditra ao anatin’izany […]
Ampitifirana Ankatso : Faha-77 taona nitifirana ny Lietnà Randriamaromanana Albert
Notanterahina ny sabotsy 19 jolay 2025, teny amin’ny sahan’Ampitifirana Ankatso, ny hetsi-pahatsiarovana ireo Malagasy mahery fo nitari-tolona tamin’ny hetsi-panafahana 1947-1948. Feno 77 taona ny nitifirana ireo mahery fo niady ho an’ny fahafahan’i Madagasikara teo ambany ziogan’ny mpanjakana: ny Lietnà Randriamaromanana Albert, Rakotondrabe Samuël, Ratsizafy Samuël, Lezoma ary Bekamisy. Nitarika ny […]




