Politika

FANTINA sy FINTINA

Nambaran’ny depiote voafidy tao An­ta­nanarivo V, tamin’ny anaran’ny Irmar, Raholdina Naivo, fa tokony hifarana amin’izay ny fanararaotam-paty ataon’ny mpanao politika sasany sy ireo mpamendrofendro ary ireo mpanely vaovao tsy marina momba ny “Raharaha Ambohimalaza”. Malalaka ny fanehoan-kevitra, saingy ny marina no tokony holazaina. Tsy tokony hisy mpitondra na iray aza […]

Fiaraha-miasa amin’i Chine : Manamafy ny diplaomasia ara-toekarena i Madagasikara

Manamafy ny diplaomasia ara-toekarena miaraka amin’i chine i Madagasikara. Fan­tatra io tamin’ny fifanaraham-piaraha-miasa vaovao roa nosoniavina teo amin’ny Sekretariam-panjakana misahana ny fahavitan-tena ara-tsakafo sy ny vondrona indostria sinoa Sinomach, teo anatrehan’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, teny Anosy, omaly. Fampivoarana ny sehatry ny tsaramaso maitso ny fifanarahana voalohany. Tanjona ny […]

Filoha Rajoelina Andry: “Ilaina ny mifampitsinjo sy mifanohana”

“Ilaina ny mifampitsinjo, mifanohana, mifampizara. Tsy azoko atao ny tonga eto Maroantsetra, ka tsy hitondra hafaliana amin’ny alalan’ny fizarana fanomezana”. Io ny nambaran’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, tamin’ny fanomezana vatsy tsinjo ho an’ny mponina any Maroantsetra, Faritra Amba­tosoa, omaly. Vary amin’ny gony, voamaina, ronono, savony…. Mila porofoina amin’ny fihetsika ny […]

FANTINA sy FINTINA

Hanomboka anio ny fidinan’ny fitondram-panjakana any amin’ny faritra Ambatosoa. Hotan­terahina any an-toerana ny filankevitry ny minisitra. Hitohy amin’ny fitokanana fotodrafitrasa izany. Anisan’izany ny “Parc solaire”, kianja, hopitaly manara-penitra, tsena. Eo koa ny asa sosialy hanohanana ireo marefo ary arahana fampisehoan’ireo artista malaza. Miantso fitoniana ny mpitondra tenin’ny governemanta, amin’izao handraisana […]

Filohan’ny OJM : “Tsy sakanana hikaroka loharanom-baovao ny mpanao gazety”

“Voalazan’ny And. 7 sy 60 amin’ny lalàna 2020-006 mifehy ny serasera amin’ny haino vaky jery fa tsy sakanana na rarana hikaroka loharanom-baovao ny mpanao gazety”. Io ny nambaran’ny filohan’ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM), Rasoloarisoa Monica Harimbola, teny Anosy, oma­ly, manoloana ny fitarainana mpanao gazety tsy mahazo loharanom-baovao amin’ny “Raharaha […]