Politika

FANTINA sy FINTINA

Hentitra ny filoham-panjakana, ny Kly Ran­drianirina Michaël, nanoloana ny praiminisitra sy ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta, afakomaly, tamin’ny filankevitry ny minisitra. « Manomboka amin’ny tsirairay ny fanovana sy ny fanavaozana. Asa ihany koa ny antsika fa tsy kabary », hoy izy. Nanambara ny minisitra misahana ny Raha­raham-bahiny, Razanahamasoa Christine, fa hisy […]

Minisitra teo aloha, Andriantsitohaina Naina: « Hitsahatra amin’ny sehatra politika aho… »

Efa minisitry ny Raha­raham-bahiny sy minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy fanajariana ny tany ary ben’ny Tanànan’Antananarivo, An­drian­tsitohaina Naina. Nanao veloma tamim-pitoniana sy tsy nisy raorao ary tao anatin’ny mangarahara ny tontolo politika sy ny andraikitra noraisiny ny tenany, omaly, tetsy Ano­sy. « Andro ialako amin’ny se­hatra politika sy ny fiainam-bahoaka androany. Miala […]

Birao maharitry ny Antenimiera : Naongana avokoa ny depiote Irmar

Nivadika ny rasa, teny Tsimbazaza. Voaongana avokoa ny depiote avy amin’ny Irmar, nandrafitra ny birao maharitry ny Antenimierampirenena. Lasan’ny Firaisankina ny maro an’isa. Notanterahina omaly, ny fifidianana ireo handrafitra ny birao maharitra eo anivon’ny Antenimie­ram­pirenena. Nilamina ihany iza­ny na teo aza ny olan’ny fahamaroan’ireo kandidà. Eo koa ny fiovan’ireo depiote […]

Fanjakana Anglisy : Hanohana ny ady amin’ny kolikoly

Nandray ny masoivohon’i Royaume-Uni, Patrick Lynch, avy hatrany ny minisitra vaovao misahana ny Fitsarana, i Fanirisoa Ernaivo, taorian’ny nanendrena azy amin’izany toerana izany. Niaraha-nidinika tamin’zany ny fandaharanasa mikendry ny hananganana rafitra mahomby amin’ny ady amin’ny kolikoly. « Vonona izahay ary hanampy sy hanolo-tena hanohana ireo mpiara-miombon’antoka eto an-toerana amin’ity ady sarotra […]

Filankevitry ny governemanta : Mitaky vokatra hita maso ny Praiminisitra

Niatrika avy hatrany ny filankevitry ny governemanta ireo mpikambana vaovao, notarihin’ny praiminisitra, Rajaonarivelo Herintsalama, teny Mahazoarivo, omaly. Hentitra ny tenany tamin’izany. «Ilaina ny fitondrana vo­katra hita maso sy azo tsapain-tanana amin’ny ezaka rehetra hatao mba hahamafy orina ny fifampitokisana eo amin’ny vahoaka sy ny mpitondra », hoy izy. Eo koa ny […]