“Voalaza mazava tsara ao amin’ny And. 5 amin’ny lalàmpanorenana fa an’ny vahoaka ny fahefana. Ampiasaina amin’ny alalan’ny fifidianana izany fahefam-bahoaka izany. Azo atao tsara raha ohatra misy ny fangatahana ny safidin’ny vahoaka amin’ny fanaovana fitsapankevi-bahoaka.” Io ny nambaran’ny governoran’ny Faritra Diana, Rakotomanga Taciano, tamin’ny mpanao gazety tany Antsiranana, afakomaly, manoloana […]
Politika
FANTINA sy FINTINA
Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra teny Iavoloha, afakomaly, ny handraisan’i Madagasikara ny lanonana fanolorana mari-pankasitrahana ny olon’ny taona 2026 avy amin’ny gazety boky Africain Leadership Magazine. Antony ny fanomezan-danja ny haitariky ny filoha Rajoelina Andry izay voahosotra ho mpitarika afrikanina eo amin’ny politika, taona 2024. Nanatitra taratasy fa tsy nisy nandray […]
Loholona Rakotondrazafy Lalatiana : Miezaka mitady vahaolana ny fanjakana amin’izao
Resaka fahatapahan-jiro! Taorian’ny antso tao anaty tambajotran-tserasera sy teny Anosy, omaly, nataon’ny mpanohitra ho an-dRakotondrazafy Lalatiana, loholon’i Madagasikara, nivoaka tamin’ny fanginana ny tenany, omaly ihany. Nohamafisiny tamin’ny fanambarana naparitany tao anaty facebook fa miezaka ny mitady vahaolana ny fanjakana ankehitriny. «Ny maha samy hafa ny tamin’ny 2016 sy ny amin’izao dia […]
Madagasikara- Frantsa : Miantraika amin’ny fiainam-bahoaka ny fiaraha-miasa
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny fikaonandoha momba ny fitsinjaram-pahefana eo amin’i Madagasikara sy i Frantsa. Nohamafisin’ny filoha Rajoelina Andry, fa tena nitondra fanovana ny fiaraha-miasa amin’ny tany roa tonta. “Mitondra an’i Madagasikara ho amin’ny fanovana amin’ny sehatra maro ny fiaraha-miasa. Hamafisina izany hanatanterahana ireo tetikasa rehetra iarahana, hisy fiantraikany […]
Madagasikara-Frantsa : Mitohy ny fiaraha-miasa itsinjaram-pahefana
Hatao anio sy rahampitso, eto Antananarivo, ny fihaonambe fahatelon’ny fiaraha-miasa itsinjaram-pahefana eo amin’i Madagasikara sy i Frantsa. Eo ambany fiahian’ny filohan’ny Repoblika izany, araka ny fampitam-baovao avy eny amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, Anosy, omaly. Amin’izany no hampivondronana ireo mpanapa-kevitra sy mpiantsehatra eto an-toerana ary ireo miombon’antoka ny amin’ ny fanamby iombonana: […]




