Politika

Fihaonana an-tampon’ny Sadc : Miantso fitoniana ny depiote Tojosoa Ideal

Solombavambahoaka anisan’ny nanamafy ny antso avo nataon’ny filohan’ny Ante­nimierampirenena, Tokely Jus­tin, ny depiote, Tojosoa Ideal. “Andao hampandeferina ny adihevitra politika fa hifantoka amin’ny fandraisana ny fihaonana an-tampon’ny Sadc”, hoy ity solombavambahoaka voafidy tany Vangain­drano ity. Nanteriny fa hanome vahana ny fifandraisan’i Madagasikara amin’ny sehatra iraisam-pirenena, indrindra aty Afrika, izao fanatanterahana […]

Minisitry ny Raharaham-bahiny: «Hiarovana ny tombon­tsoam-pirenena ny fihaonan’ny Sadc»

“Hahazoana miaro ny tombontsoam-pirenena ny fihaonana an-tampony toy izao, indrindra eo amin’ny lafiny toekarena izay anisan’ny iompanan’ny vondrona Sadc bebe kokoa”. Io ny fanehoan-kevitry ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafarava­vitafika, tamin’ny mpanao gazety teny Ivato, omaly, ny amin’ny tombontsoan’i Mada­gasikara amin’izao fandraisana ny fihaonana an-tampon’ny Sadc izao. Maneho ny haitarika […]

FANTINA sy FINTINA

129 taona, 6 aogositra, teo ny naharava ny fitondran’ny mpanjaka teto Madagasikara. “129 taona niainana tao anaty fanjanahantany hatramin’izao isika”, hoy ny eo anivon’ny fikambanana Gasy Tompon’ny Tany. Ahitana ny vondron’ireo raiamandreny ara-drazana ny fikambanana ary hiady ho an’ny firenena sy ny taranaka, hametraka ny tena fahaleovantena marina. Nambaran’ny minisitry […]

Fiarahamonina sivily ; “Miantoka ny fahamarinan-toeran’ny firenena ny CESC”

“Hanamafy ny Repoblika ary hampiroborobo ny fiaraha-miasa sy ny fifampidinihana eo amin’ny samy mpiara-miom-­bon’antoka amin’ny fiainam-bahoaka ny fananganana Fi­lankevitra ara-toekarena sy sosialy ary kolontsaina (CES C)”. Io ny fanambaran’ny fiarahamonina sivily, toy ny He­tsi­ka Rohy, Fivmpama, WWF, sns, tamin’ny fihaonana teny Ambatonakanga, ny faran’ny herinandro teo. Naneho ny traikefan’ny Filankevitra […]

Filoha Rajoelina Andry: Nandray ny sekretera mpanatanteraky ny Sadc

Ho fanomanana ny fihaonana an-tampony faha-45, noraisin’ny filoha Rajoelina Andry teny amin’ny Lapam-panjakana Iavolohany sekretera mpanatanteraky ny Sadc, omaly. Nandray ny sekretera mpanatanteraka eo anivon’ny vondrona Sadc, i Elias Magosi, teny amin’ny Lapam-panjakana, Iavoloha, omaly, ny filohan’ny Repobli­ka, Rajoelina Andry. Niompana indrindra amin’ ny fanomanana ny fihaonana an-tampon’ny faha-45 hataon’ […]