Efa an-dalana amin’ny firosoana ho fanatsarana ny fifidianana ny eo anivon’ny Ceni. Anisan’izany ny hampiasana ny lisi-pifidianana biometrika, hampanarahana ny fenitra iraisam-pirenena. Namita iraka any Bénin ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama, sy ny ekipany naka traikefa amin’ ny fomba hanatanterahana izany amin’ny fifidianana hatao eto Madagasikara. Anton-dian’izy ireo any an-toerana […]
Politika
Filohan’ny FJKM, Andriamahazosoa Irako : “Aoka hahay hizara am-pitiavana madiodio…”
Nampita hafatra mafonja ny filoha am-perinasan’ny FJKM, ny Dr Andriamahazosoa Irako Ammi, amin’izao synaoda faha-20 tanterahin’ny fiangonana any Taolagnaro izao. Nambarany fa ampy izay ilay tanana zatra mangorona ho an’ny tena. Entanin’ny fitiavan-tena tsy mety voky, ka na mba manome aza; mizara anaty filan-dera hitsinjovana sahady ny mety ho fifidianana, […]
FANTINA sy FINTINA
Vahaolana sy hampitony ireo manampahaizana ny fanesorana ny mpitondra tenin’ny filohan’ny Repoblika, Ranoromaro Lova Hasinirina, araka ny nambaran’ny Dr Lahiniriko Denis Alexandre. “Manaporofo izany koa ny nilazany fa tsy mahazo ny tiany holazaina ny vahoaka. Manambany sy manamaivana olona izany”, hoy izy. Maherin’ny 5 000 miliara Ar ny vola nampiasaina […]
Fihaonana an-tampon’ny SADC: Nandinika ny olana politika ny rafitra Troïka
Ao anatin’ny fanomanana ny fihaonana an-tampon’ny Sadc, nifarana teny amin’ny CCI, Ivato, afakomaly, ny filankevitry ny minisitra, notarihin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy, Rasata Rafaravavitafika. Anisan’ny voadinika tamin’izany ny fehinkevitry ny fivorian’ny kaomitin’ny mpiasam-panjakana ambony sy ny ma-nampahaizana ny 4-6 aogositra. Teo ny amin’ny tetibolan’ny vondrona 2025 sy 2026. Teo koa […]
Velakevitra momba ny Sadc: Manana anjara toerana amin’ny fampandrosoana ny mpikaroka
Manana anjara toerana lehibe amin’ny fampandrosoana ny mpikaroka sy manampahaizana eny amin’ny Oniversite, araka ny nambaran’ny sekretera mpanatanteraky ny Sadc, i Elias Magosi, tamin’ny fanombohana ny velakevitra ho an’ny besinimaro teny amin’ny oniversite Ankatso, afakomaly, ao anatin’ny fandraisan’i Madagasikara ny fihaonana an-tampon’ny Sadc. Tokony ho sehatra malalaka ho an’ny firenena […]





