Politika

Tokely Justin: “Tokony hirosoana ny fahavitan-tena ara-tsakafo”

“Manoloana ny ady misy any ivelany amin’izao fotoana izao, tokony hiroso bebe ko­koa amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo isika Malagasy. Efa izany rahateo no laharam-pahamehana apetraky ny fi­tondram-panjakana.” Io ny nambarana’ny filohan’ny Ante­nimierampirenena, i Tokely Justin, tamin’ny famaranana ny fivoriana ara-potoana voalohan’ny Antenimi­eram­pirenena teny Tsimba­zaza, omaly. Ilaina koa ny fiezahana hamokatra ny […]

FANTINA sy FINTINA

Hentitra ny baikon’ny filoha Rajoelina Andry. Handefa dokotera mpitsabo hidina ifotony hijery ny momba ilay valanaretina nahafaty olona maro any Ikongo ny fitondram-panjakana, araka ny nambarany. Nambarany koa fa homena CVO maimaimpoana ireo mponina any an-toerana, hiadiana amin’ny tazomoka. Mitaky ny marina sy ny fanadihadiana lalina momba ireo olona maty […]

Fifanatrehana tamin’ny Frantsay: Manantena ny hahazo ireo Nosy ny delegasionina

Nanao tatitry ny fihaonana faharoa, natao tany Frantsa, momba ny fitakiana ny famerenana ireo Nosy malagasy tetsy amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny ireo delegasionina niatrika izany. Manana fanentanana betsaka ireto iraka ireto raha ny nisongadina tetsy amin’ny minisiteran’ ny Raharaham-bahiny Anosy, omaly, nanoloana ny mpanao gazety, taorian’ny dinika nifanatrehana tamin-dry zareo Frantsay, […]

INDRAY MIJERY

Hetsika fampifaliana ny ankizy ato anatin’ny faritra Analamanga. Nisy ny fizarana kilalao tao amin’ ny trano fitaizana zaza kamboty Triomphe Ambohi­man­gakely, izay fiaraha-miasa amin’ny Project Christmas Child. Miisa 117 ireo ankizy nisitraka izany. Nandray anjara tamin’ny atrikasa fanamarinana ny Politikam-pirenena sy ny fandaharanasa nasionaly momba ny fiarovana sy ny fahasalamana […]

Faritra Vakinankaratra : Miroso ny fanamboarana ny lalana RN7

Mitohy hatrany, tahaka ny fanao isam-bolana, ny fihaonan’ny eo anivon’ny faritra Vakinankaratra amin’ny mpanao gazety. Hanasana sy iantsoana ireo tomponandraikitra isan-tokony izany. Nitondra fanazavana ta­min’ny mpanao gazety momba ny fanamboarana ny lalam-pirenena faha-7 ny governoran’ny faritra Vaki­nankaratra, Vyvato Rakoto­vao. Nambarany fa efa miroso ny asa. Mizara roa mazava tsara ny […]