Politika

Soalihy Moussa : “Fanaraha-maso ny sekretariam-panjakana”

“Ireo sehatra mavesabesatra any amin’ny minisitera no sin­tonin’ny filohan’ny Repo­blika harahi-maso. Tena fanaraha-maso no antony nanaovana ny sekretariam-panjakana”, hoy ny fanehoam-pijerin’ny mpandi­nika raharaham-pirenena, i Soalihy Moussa, momba ny sekretariam-panjakana. Tsy tokony haha vahiny izany, fa efa maro ny nanao azy teto amin’ny tany sy ny fanjakana. Tamin’ny fitondran’ny HVM aza, […]

Miadana Fabien Privat : “Aleo hisaraka ny fifidianana kaominaly sy ny depiote raha tiana ho vita tsara”

Fifidianana kaominaly sa ny fifidianana depiote no tokony hatao aloha amin’izao? Lasa adihevitra be… Manana ny fijeriny ny tomponandraikitra amin’ny fanetsehana fiarahamonina sy olom-pirenena eo anivon’ny ONG Tolotsoa, i Miadana Fabien Privat: “Raha ny fahavitan’ny fifidianana no tanjona, mety ny fampiarahana azy. Fa raha fifidianana hoe vita tsara, aleo hisaraka… […]

Ralambomahay Toavina : “Fotoana hakana ny lehiben’ny fanoherana izao”

“Fotoana izao hakana ny toeran’ny lehiben’ny mpanohitra”, hoy ny mpikamban’ny biraon’ny antoko Humaniste et écologiste, Ralambomahay Toavina, manoloana toe-draharaham-pirenena. Izay no hahazoana mihaona sy miresaka mivantana amin’ny filohan’ny Repoblika sy ny Prai­minisitra, hahazoana miditra amin’ny haino aman-jerim-panjakana, ny RNM sy ny TVM. Tena marefo ny mpanohitra, raha vao tsy miady […]

Fiatrehana ny fifidianana: mitaky tokotany madio ny MMM

Nambaran’ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianaina­rivelo Hajo, omaly, tamin’ny tambajotran-tserasera fa na­nana kandidà hatrany ny antoko tarihiny. Niatrika fifidianana tao anatin’ny 10 taona nijoroana. “Tsy maintsy miomana handray anjara koa na ho ela na ho haingana amin’ny maha antoko. Takina hatrany kosa anefa ny hanaovana fifidianana madio sy mangarahara”, hoy izy. […]

Safidy ; «Azo ampiarahana ny fifidianana roa samy hafa»

Mbola mandeha ny adihevitra. Nanazava ny fahitany ny hiatrehana ny fifidianana anakiroa ny eo anivon’ny fiarahamonim-pirenena Safidy. “Tsy misy ny lalàna manakana ny fampiarahana ny fifidianana ben’ny Tanàna sy ny fifidianana filohan’ny Repoblika. Ny fifidianana filohan’ny Repo­blika sy ny fifidianana depiote no tsy azo ampiarahana”, hoy ny mpitondra tenin’ny Sam­pana […]