Politika

FANTINA sy FINTINA

Betsaka ireo fitsabahana ataon’ny fahefana mpanao lalàna, toy ny Antenimierampirenena amin’ny fanapahan-kevitra raisin’ny fahefana mpanatanteraka, araka ny nambaran’ny eo anivon’ny sendikà mpandraharaha ny fonja, ny sekretera jeneraly, Razafiberison Mohamed. « Tsy mbola voahaja araka ny tokony ho izy ny fisarahan’ireo fahefana », hoy izy. Mijoro ara-dalàna ny fiangonana Home church Madagasikara, araka […]

Fikaroham-bahaolana : Raikitra ny fikaonandohan’ny FFKM

Hanomboka ny 18 hatramin’ny 21 mey izao ny fikaonandoha hotarihin’ny eo anivon’ny FFKM. Lohahevitra maromaro no anisan’ny hodinihina amin’izany. Nanentana ny rehetra, araka izany, ny filohan’ny FFKM, ny Mgr Ranarivelo Samoela Jaona, ho avy hanatrika sy hanotrona ny fanokafana ilay fihaonambe sy fikaonandoha hotarihin’ireo filoham-piangonana. Hotante­rahina eny amin’ny FJKM An­kadikely […]

Kolonely Randrianirina MIchaël : “Tsy mivaona amin’ny fanavaozana ny fitondrana”

Toy ny tany Kenya, manamafy ny filoha, ny Kly Randrianirina Michaël, fa tsy mivaona amin’ny fifanekena natao ny mpitondra. Manaraka ny zotra mankany amin’ny fanavaozana izahay, hoy izy. “Izay noresahinay tany am-boalohany nandraisana ny fitondrana ny fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara no lalana arahinay amin’izao. Tsy mivaona amin’izay”. Io ny nambaran’ny […]

FANTINA sy FINTINA

Mihemotra amin’ny 3 jona izao ny fikaonandoham-pirenena, araka ny nambaran’ny minisitra, ny Me Razafimanantsoa Hanitra, ny alarobia teo. Nambarany ho anton’izany ny fandaminana. Eo koa ny fikaonandoha karakarain’ny FFKM, hanomboka mialoha io daty io. «Mitohy kosa ny fikaonandoha efa natao eny amin’ny sehatra samihafa», hoy izy. Miantso ny hanaraha-maso ny […]

Fivondronamben’ny Eveka : “Mila drafitra politika mazava ny fanavaozana”

“Momba ny fihavaozana sy ny fanavaozana tian-katao, tsy ahitana drafitra politika mazava sy voafaritra tsara ny fitantanana ny fanavaozana ankoatra ny fe-potoam-pintantana roa taona sy ny hisian’ny fikaonandom-pirenena”. Io ny hafatry ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara (CEM), afakomaly, taorian’ny fivoriambe ara-potoana, ny 8-12 mey lasa teo. Miaina ao anatin’ny fanantenana […]