Nomarihina ny sabotsy teo, tao amin’ny Ekar St Joseph Toamasina, ny fankalazana ny faha-25 taona naha eveka ny kardinaly, Mgr Tsarahazana Desiré, sy ny faha-40 taona nanosorana azy ho pretra. Teny faneva nentiny tamin’izany ary nampitany ny hafatra ny hoe “Tsy ny fijaliana no tompon’ny teny farany». Nentaniny ny rehetra […]
Politika
Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana: « Hohenjehina ireo trondro vaventy amin’ny kolikoly »
Ovaina ny fomba fiasa manomboka izao amin’ny ady amin’ny kolikoly. Hafantoka amin’ny fanenjehana ara-toekarena sy ara-bola izany, araka ny nambaran’ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana. Nitarika ny fivoriana stratejikan’ny Komity mpitarika (Copil) ny fanatanterahana ny Paikadim-pirenena iadiana amin’ny kolikoly (SNLCC) 2025-2030, teny Mahazoarivo, ny faran’ny herinandro teo, araka ny fampitam-baovao voaray omaly. […]
FANTINA sy FINTINA
Tsy mankasitraka ny firotsahan-kofidian’ireo manana andraikitra eto amin’ny firenena ny depiote voafidy ao Arivonimamo, Rajerison Antoine. Nambarany fa tsy mety sady tsy azo antoka izany. «Tokony hilaza mazava izy ireo na ho kandidà na tsia sao ahina hiteraka krizy hafa eto indray», hoy izy. Tokony hivoaka aorian’ny fikaonandoham-pirenena ny datim-pifidianana, […]
Fitorian’ny depiote Rajerison Antoine : Andrasana ny valin-teny avy amin’ny HCC
Miandry ny valin’ny fitoriana napetrany eny amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), ny depiote Randriamampianina Rajerison Antoine, voafidy tao Arivonimamo, avy amin’ny tsy miankina. Anton’izany fitoriana izany ny fitantanana ny raharaham-panjakana sy firenena ataon’ny Fitondrana Fanavaozana amin’izao fotoana izao. «Tsapantsika ireo fihoaram-pefy sy fandikana ny Lalàmpanorenena ataon’ny fitondra ankehitriny. […]
Fanonganam-panjakana : Nahitana volabe tany amin-dRabary Paul sy Rakotoniaina Yves
Niakatra teny amin’ny fampanoavana, Anosy ny zoma teo ny raharaha fikasana hanakorontana sy fanonganam-panjakana. Voarohirohirohy amin’izany, Rakotoniaina Yves Maurice sy Rabary Paul. Nambaran’ny tonia mpampanoa lalàna voalohany, Ramanantsoa Nomenarinera Mihamintsoa fa naiditra vonjimaika eny amin’ ny fonjan’Antanimora, ny minisitra teo aloha sady mpitarika ny antoko ny fireneko, Rabary Paul raha […]




