Misokatra amin’ny olom-pirenena rehetra manomboka anio, ao amin’ny tambajotran’ny fiadidiana ny Repoblika ny fandraisana ny mombamomba ireo hirotsa-kotendrena ho sekreteram-panjakana. “Laharam-pahamehan’ny filohan’ny Repoblika ny hametrahana sekreteram-panjakana. Mba hahazoan’izy ireo misahana ireo tetikasa hanatanterahana ny vinam-pampandrosoana andrasana amin’izao fe-potoam-piasana faharoa izao”, hoy ny fanazavan’ny mpitondra tenin’ny filohan’ny Repoblika, Ranoromaro Lova Hasinirina, […]
Politika
Praiminisitra Ntsay Christian: “Vonona hanatanteraka ny vinan’ny filoha ny governemanta”
Hanao ahoana ny fe-potoam-piasana faharoa amin’izao fitondrana izao? Vonona hanatanteraka ny vinan’ny filoha amin’ny alalan’ny Politika ankapoben’ny fanjakana ny governemanta. “Amin’izao fe-potoam-piasana 2024-2028 izao, laharaham-pahamehana hanatrarana ny taham-pampandrosoana eto Madagasikara ny fampihenana ny fahantrana, ny fanatsarana ny fahefa-mividin’ny vahoaka, ny famoronana asa, ny fanatsarana ny fitantanana, ny fanamafisana ny […]
Holafitry ny mpanao gazety : voafidy ny solontena eo anivon’ny HCDDED
Tontosa, omaly, teny amin’ny birao fiasan’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara (OJM), Ambohidahy, ny fifidianana izay hisolo tena azy ireo eo anivon’ny Filankevitra ambony ho amin’ny fiarovana ny demokrasia sy ny fanjakana tan-dalàna (HCDDED). Voafidy tamin’izany i James Ramarosaona. Tamin’ny alalan’ny latsabato ana habaka no nanaovana izany ary tamin’ny […]
Antenimierampirenena: tsy hita ny vola 150 tapitrisa Ar
Ampamoaka! Anisan’ny nambaran’ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena, Raholdina Naivo, teny Tsimbazaza, omaly, ny fanjavonan’ny volan’ ity Andrimpanjakana ity. “Nisy nanodinkodina ny vola 150 tapitrisa Ar fahana finday natokana ho an’ireo depiote. Tokony hampiasaina amin’izao telovolana izao izany”, hoy izy. Na izany aza, efa mandeha ny fanadihadiana momba izany, araka ny […]
Fampahafantarana ny PGE : nofaritan’ny Praiminisitra ny 100 andron’ny sosialim-bahoaka
Notanterahina omaly, nanoloana ireo depiote teny Tsimbazaza, ny fampahafantaran’ny Praiminisitra sy ireo mpikamban’ny governemanta ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE). Niompana bebe kokoa amin’ny sosialim-bahoaka izany. Nasongadiny tamin’izany ny fandaharanasa 100 andro amin’ireo departemanta isanisany. Eo ny loharanon-karena mifototra amin’ ny maha olona, ny ady amin’ ny fahantrana. Ny fandaharanasa, toy […]




