Notanterahina, omaly, tetsy Anosy, ny atrikasa iarahan’ny Ceni sy ny Pnud momba ny tomban’ezaka fampandraisana anjara amin’ny zotram-pifidianana ireo manana olana eo amin’ny fahitana. Nambaran’ny sekretera mpanatanteraky ny Ceni, Ravaonirina Liliane, fa efa nampiasa fitaovana manokana ho an’ny jamba ny Ceni tamin’ny fifidianana farany teo. Nisitraka izany ireo tany amin’ny […]
Politika
Raiamandreny ara-drazana: « Miandany amin’ny rariny sy ny hitsiny izahay »
Nitohy, omaly, teny amin’ny Fofikri Ilafy, ny atrikasa sy fikaonandohan’ny fikambanana sy vondrona mitambatra ao anatin’ny Antenimieran’ny raiamandreny foko malagasy (ARFM). Hetsika notarihin’ny Andriana Rakotondrasoa Noël. Niatrika izany tao anatin’ny roa andro ireo solontena isam-poko manerana an’i Madagasikara. Anisan’ny tena nasongadina ny fandinihana ny zava-misy ankehitriny sy fandraisana fanapahan-kevitra manoloana […]
Fifanatrehana amin’ny depiote: hanazava ny fandaharanasany avy ireo minisitra
Hifanatrika amin’ireo solombavambahoaka eny amin’ny Antenimierampirenena ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta, anio. Samy hitondra ny fandaharanasany ireo minisitra amin’izany. Hitarika ny fifanatrehana sady hanomboka ny famelabelarana ny Fandaharanasa ankapoben’ny fanjakana (PGE) ny Praiminisitra, i Ntsay Christian. Samy hanazava ny anjarany avy kosa ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta avy eo, araka […]
“Diovy i Madagasikara” : Tsy handray anjara amin’ny fifidianana
“Ny lojikan’ny fijoroanay, mitaky ny fiverenana amin’ny fanjakana tan-dalàna: tsy mandray anjara amin’ny fifidianana izay fantatra fa hanome hasina ny fanjakana misy amin’izao fotoana izao”. Io ny nambaran’ny ny Cellule de crise “Diovy i Madagasikara”, Ralaiseheno Guy Maxime, teny Antsakaviro, afakomaly, ny amin’ny fiatrehana ny fifidianana ato ho ato. Tsy […]
Faritra Bongolava : mangataka hatrany ny fanoloana governora ny depiote
Resaka tsy vita? Mangataka hatrany ny fanoloana ny governoran’ny Faritra Bongolava ny depiote IRD voafidy tany Tsiroanomandidy, Ramaherijaona Hajanirina.”Nisy governoram-paritra telo nosoloina teo. Miandrandra izahay ary mbola mipetraka ny fangatahanay ny hanoloana azy, fa tsy misy zava-bita”, hoy izy ny amin’izany. Ny lalana nataony any Fenoarivobe mankany Tsiroanomandidy izao, efa […]




