Namoaka ny tatitra (IPC) fanaony isan-taona ny eo anivon’ny Transparency International – Initiative Madagascar (TI-IM), omaly, tetsy Anosy. Mbola mahazo vahana ny kolikoly. Nahazo isa 25/100 i Madagasikara amin’ny maridrefy (IPC). Laharana faha-145 amin’ireo firenena 180, ho an’ny taona 2023. Isa 26/100 kosa izany teo alohan’izany, ny taona 2022. “Tsy […]
Politika
Fifidianana ben’ny Tanàna sy depiote: mbola miketrika tanteraka ny tetiandro ny Ceni
Tsy mbola nivoaham-pofona. Ao anatin’ny fandinihana ny tetiandrom-pifidianana ny eo anivon’ny Ceni amin’izao fotoana izao. Nambaran’ny mpampakateny eo anivon’ny Ceni, i Soava Andriamarotafika, omaly, teny Alarobia, fa handroso ny volavolana tetiandro izy ireo aorian’ny fikatonan’ny lisi-pifidianana ny volana mey izao. “Mazava ny voalazan’ny lalàna fa aorian’ny famaranana ny lisitra no […]
Taon-jobily 2025 : mamelona ny fanantenana ny fiangonana katolika
Ao anatin’ny fiomanana amin’ny fankalazana ny taon-jobily 2025 ny fiangonana katolika. “Mpivahinin’ny fanantenana” no lohahevitra amin’izany, izay hosokafana amin’ny alalan’ny fotoam-bavaka amin’ity taona ity. Taom-pahasoavana ny jobily ka ezahina ny handalina sy hiaina bebe kokoa ny finoana. “Noho ny fahasahiranana, ny fahantrana, ny herisetra, ny ady manjaka eran-tany dia kivy […]
Politika ankapoben’ny fanjakana : mahazo mitondra soso-kevitra ny depiote
Nisokatra omaly, ary tsy hihoatra ny 12 andro, ny fivoriana tsy ara-potoana eo anivon’ ny parlemanta. Anisan’ny nisongadina teny Tsimbazaza ny fisokafana ho amin’ny hanatsarana ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE). “Araka ny And. 99 ao amin’ny Lalàmpanorenana, manana hevitra sy afa-mitondra soso-kevitra ihany koa ny solombavambahoaka, raha misy ny ilàna […]
Ravalomanana Marc : “Tsy maintsy ampiakarina ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy”
Nifampiarahaba tratry ny taona ny antoko Tim, ny faran’ ny herinandro teo, teny Faravohitra. Nanotrona ny filoha mpanorina, Ravalomanana Marc, ny solontenan’ireo mpitarika ny antoko isam-paritra sy manerana ny renivohi-paritany eto Madagasikara. Niompana tamin’ny fiatrehana ny fifidianana ny lahateny nataon’ ny filoha teo aloha. Nambarany fa : “Zo sy adidy […]




