Politika

Fifidianana: miantso ny filoha mbola ho kandidà ny Betsi-Groupe

“Mangataka ny filoha Rajoelina Andry mba hilatsaka hofidina ho filoham-pirenena indray amin’ny fifidianana ho avy izao. Hito­hizan’ ireo asa fampandrosoana maro sosona, efa natomboka. Manamafy  koa izahay ny fahavononana sy fandresen-dahatra amin’ny fanohanana anao”, hoy ny sekretera jeneralin’ny Betsi-Groupe, Ran­dri­a­nasolo Tsila, tetsy Maha­masina, omaly. Niantso ireo fikambanana hafa, mitovy hevitra […]

Fitantanana sy andraikitra: efa naniry ny ho ben’ny Tanàna, fony fahakely Rabenandrasana Mamy

Iza izy ? Rabenandrasana Solofonjanahary Mamy Rolland, ben’ny Tanànan’ny kaominina Mahereza, Ambo­hidratrimo. 34 taona ary ma­nam­bady sy zanaka mirahalahy. Anisan’ny ankafiziny ny sakafo, toy ny ravintoto sy henan-kisoa. Manao ny haiady, toy ny taekwondo sy karaté ary ny lomano koa izy. Mpankafy ny tarika Mahaleo sy Erick Manana ary ny […]

Otrikafo momba an’ireo Nosy malagasy: “Tsy misy tombony ny fifampidinihana amin’izao”

“Tsy misy tombony ho antsika ny fifampidinihana ny amin’ireo Nosy malagasy ireo raha izao no hatao”, hoy ny sekretera jeneralin’ny Otrika­fo, Rabevahiny Elia, momba ny fitakiana an’ireo Nosy ma­la­gasy manodidina. Tsy isalasalana ireo Nosy ireo fa tsy maintsy ho anisan’ny fepetra apetraky ny Frantsay ho tsy azo kitikitihina ho an’izay […]

Ravalitera Jacques Michaël: “Mila saro-piaro amin’ny fanaraha-maso ny raharaham-pirenena ny tsirairay”

Nifarana ny fanisana mpifidy mitety tokantrano. Aiza ho aiza ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy amin’izao? Manazava ny mpanolotsaina eo anivon’ny Ceni foibe, Ravalitera Jacques Michaël: “Samy mila saro-piaro amin’ny fanaraha-maso ny raharaham-pirenena ny tsirairay, fa tsy ny mpanao politika ihany.” Dinidinika… Gazety Taratra (*): Ahoana ny amin’izao fiafaran’ny […]