Manomboka avy hatrany ny asa. Navoaka ny drafitrasa 100 andron’ny filohan’ny Repoblika. Misongadina ny sosialy sy ny fambolena ary ny fahasalamam-bahoaka. Hotsinjovina manokana ireo tokantrano tena sahirana ka hofanina mandritra ny 3 volana amin’ny fambolena sy fiompiana ao anatin’ilay teknika « PFUMVUDZA ». Efa nahitana vokatra tsara tany amin’ny firenena […]
Politika
Herimanjaka Tsilavo: “Omena ny fizakan-tenany ny faritra…”
Nitondra vahaolana manoloana ny raharaham-pirenena i Herimanjaka Tsilavo. Nambarany fa mila mifampidinika ny hery velona rehetra ary hovaina ny Lalàmpanorenana. “Tokony hiditra amin’ny Repoblika fahadimy isika… Omena fizakan-tena ny faritra sy ny faritany fa tsy mety amintsika intsony izao fitantanana ny firenena, efa am-polo taona izao”, hoy izy, tetsy Faravohitra, […]
Atsimo Atsinanana, Fitovinany, Vatovavy: nahazo moto sy ordinatera ny rantsan’ny Ceni
Nidina ifotony tany Atsimo Atsinanana sy Fitovinany ary ny any Vatovavy ny delegasion’ny Ceni, notarihin’ny filohany, Andrianarisedo Dama, tamin’ity herinandro ity. Notolorana fitaovana ireo rantsan’ity rafitra mikarakara ny fifidianana ity any an-toerana. Anisan’izany ireo moto sy ny ordinatera. Fotoana koa io nankasitrahana ireo rehetra nanomana sy nampizotra ny fifidianana teny […]
Raharaha Appollo 21: manohy ny fitsaboana ao Tsiafahy Rafanoharana Paul
Tsy marina ary tsy mitombina ireo vaovao niely ny amin’ny nandefasana an-dRafanoharana Paul any Frantsa. Mbola voatana eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy ny tenany amin’izao fotoana. Nambaran’ny loharanom-baovao iray fa tsy maintsy nentina nanaovana fizaham-pahasalamana teny amin’ny Centre IMM sy ny Clinique Reine Marie, ny tenany ny alatsinainy 4 desambra teo. […]
Governemanta: nametra-pialana halina
Nametra-pialana halina ny governemanta notarihin’ny praiministra Ntsay Christian. Nandritra ny filan-kevitry ny minisitra voalohany, notarihin’ny filohan’ny Repoblika no nanaovany izany. Neken’ity farany rahateo ny fangatahana mba ahafahana miroso amin’ny fanavaozana sy ny ho fanatanterahana ny politikam-pampandrosoana napetrany nandritra ny fampielezan-kevitra. Mandrampivoaka izay mpikambana vaovao dia manohy ny asa fampandehanan-draharaha ny […]




