Politika

Antenimieran’ny tanora miteny frantsay: Nitohy omaly ny fanadinana ireo solontena malagasy

Tontosa omaly ny fanadinana an-tsoratra fanampiny, ho an’ny mpiadina amin’ny fifaninanana Parlement francophone des Jeunes (PJF-2024), karakarain’ny Alliance française miaraka amin’ny Antenimierampirenena sy ny Antenimierandoholona ary ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena. Mbola hisy ny fanadinana sy ny sivana samihafa hamaritana izay tanora miisa roa, hisolotena an’i Madagasikara amin’izany PJF-2024 […]

Rakotomanana Richardson: “Mifamatotra ny fampandrosoana fa tsy mandeha ila”

Ahoana ny amin’ny sosialim-bahoaka? Ani­san’ny fanambin’ny fitondrana amin’izao io. Eo koa ny amin’ny fanatsarana ny fitantanana ny asam-panjakana. Maneho ny fijeriny ny ta­len’ny Birao fitarainana eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika, Rakotomanana Richard­son: “Mifamatotra ny fampandrosoana fa tsy mandeha ila”. Dinidinika… Gazety Taratra (*): Inona no tena mahabe fitarainana ny vahoaka […]

Razanamahasoa Christine: “Manaja ny soatoavina repoblikanina aho”

Anisan’ireo nanatrika ny fametrahana amin’ny toerany sy ny fianianan’ny filoha Rajoelina Andry, teny Mahamasina, ny sabotsy teo, ny filohan’ny Antenimierampirenena, Razanama­hasoa Christine. Nambarany, tamin’izany, ny antony nanatrehany iny lanonana iny. “Manaja ny soatoavina repoblikana ny tenako, ka adidiko ny mamaly ny fanasana nalefa tamiko”, hoy izy. Nomarihiny fa tahaka ny […]

Fiarahan’ny mitovy taovam-pananahana : “Tsy mitsodrano ny fiangonana katolika !”

Nitondra fanazavana manoloana ny resabe momba ilay fitsofan-drano ny fiarahan’ny lahy samy lahy na vavy samy vavy ny sekretera mpandrindra ny Fivondronamben’ny eveka, ny mompera Rafanomezantsoa Seraphin. Nohamafisiny fa tsy mitsodrano izany ny EKAR. “Tsy hisy mihitsy ny fi­tsofan-drano ny fiarahan’ny olona mitovy taovam-pananahana. Tsy mi­dika izany fa tsy ilaina […]

Fanohizana ny tolona : vonona hiatrika fifidianana ny C11

Namoaka fanambarana ny vondron’ny kandidà (C11). Naneho fahavononana amin’ ny hiatrehana ny fifidianana rehetra izy ireo saingy nametraka fepetra. Anisan’izany ny fanatsa­rana ny tontolom-pifidianana sy ny fanajana ny lalàna velona “Antoka ho an’ny fitonian’ny firenena izany”, hoy izy ireo. Nohamafisin’ny C11 koa ireo fitakiana efa natao mba hisorohana ny krizy […]