Politika

Razanamahasoa Christine : “Mirongatra ny tsy fandriampahalemana”

“Mirongatra ny tsy fandriampahalemana. Inona no anton’izany? Nefa manenika ny tanàna ny mpitandro filaminana. Mipetraka ny fanontaniana ampian’ny ahiahy any anatin’ny tsirairay avy.” Kabarin’ny filohan’ny Ante­nimierampirenena, Razana­mahasoa Christine, namarana ny fivoriana ara-potoana, teny Tsimbazaza, omaly, io. Manomboka matahotra indray ny vahoaka amin’ny delestazy sy ny fahatapahan-drano. Efa nanao izay fantany […]

Kianjaben’i Mahamasina : mandrak’alina ny filaharana

Omaly alina dia efa filaharambe ny teny Mahamasina, hamonjy ny fianianan’ny filohan’ny Repoblika. Nanao ranolava ihany koa ny fahatongavan’ny delegasiona vahiny. Vao tamin’ny enina ora hariva omaly, efa nilahatra manodidina ny kianjaben’i Mahamasina ireo olona hamonjy ny fianianan’ny Filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Nihatonga tsikelikely ny avy any amin’ny faritra. Nisafidy […]

Fifantenana ireo ho mpiara-miasa : miantso ny filoha Rajoelina ho mailo ny RPSD

Nanao fanambarana ny antoko RPSD, tarihin’ny filoha nasionaly, Andriantsizehena Benja Urbain. Niantso ny filoha Rajoelina Andry mba ho malina amin’ny fanendrena ny mpiara-miasa izy. “Aoka mba hojerena tsara ireo ho mpiara-miasa amin’izao fidirana amin’ny fe-potoam-piasana faharoa izao”, hoy izy. Nanteriny fa tokony hiainga amin’ny tolotra omen’ireo depiote na loholona na koa ireo […]

Fianianan’ny filoha Rajoelina: efa tonga ny filoha maorisianina, i Prithvirajsing Roopun

Hatevina ireo delegasionina hotarihin’ireo filoham-panjakana sy tomponandraikitra ambony avy any ivelany, ho avy hanatrika ny fianianan’ny filohan’ny Repoblika rahampi­tso, eny Mahamasina. Anisan’ ny efa tonga omaly ary notsenaina teny Ivato ny filoha Maorisianina, i Prithvirajsing Roopun. Ny avy amin’ny iraka manokan’ny filoha Sinoa, amin’ny alalan’ny filoha lefitry ny antoko CCPPC, […]