Politika

Jeneraly Tsaranazy Jean-Emile : “Tsy mahafa-po ny Arema ny fandaminana ny fifidianana”

“Tsy mahafa-po ny Arema ny fomba fandaminana ny fifidianana”, hoy ny mpikamban’ ny antoko Arema, ny jeneraly Tsaranazy Jean-Emile, mom­ba ny fiatrehana fifidianana. Misy fifangaroana amin’ny mpitondra ny mpikarakara fifidianana, ny HCC sy ny Ceni, ohatra. Tsy tokony hikarakara fifidianana koa ny olom-boatendry. Toy izany ny teny mi­tan’ny minisiteran’ny Atitany ny tokony […]

Jobily faha-25 taonan’ny Feo miantso”: hiaraka ny antsan-kira sy ny fanatanjahantena

Hiavaka ny fanamarihana ny faha-25 taona. Hatao ny 24 septambra izao ny antsan-kira lehibe hiarahan’ny antoko mpihira Feo miantso, tompom-pety sy ny tarika Ndriana Ramamonjy, hatao eny amin’ ny FLM Tsarahonenana. Hitohy ny 30 septambra izany amin’ny sakafom-pifaliana anasana ny rehetra eny Anka­dindramamy. Mialoha izany, eo koa ny fifaninana fanatanjahantena ho an’ny taranja kitra sy […]

Filohan’ny Ceni : “Tsy misy atahorana ny vola ho an’ny fifidianana”

Nanala ny ahiahin’ny rehetra, indrindra fa ny mpanao politika ny eo anivon’ny Ceni. Nambaran’izy ireo fa tsy olana ny ho enti-manana amin’izany. “Tsy misy atahorantsika ny vola hanaovana fifidianana. Koa aza miahiahy isika ny amin’izay”, hoy ny filohan’ny Ceni, Andria­­narisedo Dama A., teny Alarobia, afakomaly. Miantso ny mpanao politika sy ny firaisamonina sivily […]

Fifidianana : ho kandidà ho filoham-pirenena i Masy Goulamaly

Teny Belanitra omaly, no nanambaran’ny filohan’ny Vo­vo­nana Avotantsika miaraka i Madagasikara (AMM), Masy Goulamaly, fa anisan’ny ho kandidà hirotsaka ho fidina ho filoham-pirenena ny tenany. “Manoloana ny fahoriana mianjady amin’ny firenena dia mahatsiaro manana adidy aho. Amin’ny maha reny ahy dia tsapako ny maharary ny zanaka ka nandresy lahatra ahy […]

Filoha Rajoelina tany atsimo : “Miroso isika ary tsy misy hahasakana izany”

Nambaran’ny filoha Rajoelina amin’izao fitsidihany ny any atsimon’ny Nosy izao ny fampandrosoana tanterahin’ny fanjakana. Mazava ny lahateniny tamin’ireo vahoaka tany an-toerana. “Azontsika atao tsara ny manorina, ny ma­nangana, ny ma­nam­boatra, ny mandroso na inona olana eo amin’ny fiainantsika. Tsy mahasakana antsika izany fa tsy maintsy miroso isika ho fampandrosoana an’i […]