Politika

“Gasy leo korontana” : nidina an-dalambe, mitaky fifidianana

Nanao hetsika tsy fankasitrahana ny korontana ireo olom-pirenena tsotra, omaly tamin’ireo boriborintany enina eto an-drenivohitra. Niantso ny tokony hifantohana amin’ny fifidianana sy fitoniana izy ireo. Manomboka ny fampielezan-kevitra! Nivoaka amin’ny fahanginany ihany koa ireo olona manohana ny fanatanterahana ny fifidianana. Nanentana ny tokony hametrahana tontolo milamina izy ireo. “Mitsipaka ma­rin­drano […]

Kandidà Andry Rajoelina : “Tsy avelantsika ho rendrika i Madagasikara”

Nanao fanambarana, omaly, ny kandidà laharana fahatelo, Andry Rajoelina. Hentitra ny nambarany. « Tsy mila korontana sy fanapotehana ny Malagasy », hoy izy. Nohitsiny ny finiavan’ ny kandidà sasany hampisaraka sy hampizarazara. Efa nomena toerana malalaka anehoana hevitra nefa nikiry nidina an-dalambe sy nisisika hanembantsembana ny fihariana sy fiveloman’ny maro anisa. « Nanakorontana […]

Sonose/Mada: “Takinay ny hijerena ny zo aman-kasin’ny mpanabe”

Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny Solidarité des normaliens en sciences de l’éducation de Madagascar – Sonose/Mada, tamin’ny fanamarihana ny Andro maneran-tany ho an’ny mpampianatra sy ny mpanabe. Hentitra ny fitakian’izy ireo. Tsy tokony hijanona ho fankalazana fotsiny ihany izany fa hanao­vana jery todika ny dingana vita sy ny mbola hatao […]

Antso avon’ny FFKM : “Atsaharo ny fampiasan-kery sy fandranitana”

Nanamafy indray ny antso efa nataony ny eo anivon’ny FFKM, ny sabotsy teo, taorian’ ny fampihaonana ny solontenan’ireo kandidà tetsy Am­pandrana. Nambaran’ireo filoham-piangonana fa anisan’ny antoka ahatomombana hatramin’ny farany ny dinika ikaroham-bahaolana ny hisian’ny fitoniana eto amin’ny firenena ka nanamafy ny antso efa nataony izy ireo. “Aoka hohajaina ny zo […]

Miziriziry ny kandidà 11 : tsy nilefitra ny Emmo/Nat

“Baikon’ny prefet no tanterahanay mba ho fanajana ny lalàna”, hoy ny avy amin’ny Emmo/Nat. “Tsy manaiky famoretana izahay”, hoy kosa ny kandidà 11. Mitohy kosa ny fanelanelanana ataon’ny FFKM. Nitorajofo ny entona ma­nempotra teny Anka­zomanga sy Antani­mena, afakomaly. Dimy ireo voasambotra ary enina naratra: ny kandidà laharana fahadimy, Ravalomanana Marc […]