Politika

Maharitra Ali Petera : “Ny fisitrahana ny zo amin’ny fifidianana no miantoka ny hoavy”

Tsy azo ihovidirana intsony ny fifidianana filohan’ny Repoblika amin’izao? “Ny fisitrahan’ny tena ny zo maha olom-pirenena amin’io fifidianana io no miantoka ny ho avy”, hoy ny filohan’ny Association Lumière de la lune de Madagascar (Alluma), i Maharitra Ali Petera. Fanehoan-kevitra… «Miantso sy manohana ny olom-pirenena hahay handray andraikitra ny hoaviny […]

Kandidàn’ny FTT, Razafinjoelina Tahina : “Avelao ny hevitra no hiady fa tsy ny olona…”

Anisan’ireo nanao sonia ilay satan’ny fitsipi-pitondran-tenan’ny antoko politika “Char­te de bonne conduite”, tetsy amin’ny foiben’ny Friedrich Ebert Stiftung (FES), Ankadifo­tsy, omaly, ny kandidà ho filoham-pirenena, Razafinjoelina Tahina. Namba­ran’ity mpirotsaka hofidina atolotry ny vovonan’ny Firaisankina ho an’ny tia tanindrazana (FTT) ity fa zava-dehibe mandritra ny fifidianana ny adihevitra. «Aoka mba ho […]

Ceni momba ny lisi-pifidianana : “Finiavan’ny olom-pirenena no nanaovana ny fanavaozana”

Nitondra fanazavana momba ireo olom-pirenena maherin’ny iray hetsy tsy mazoto nisoratra anarana ny eo anivon’ny Ceni. Namaly ireo fanakianana samihafa izy ireo tamin’izany. “Ny toe-tsaina mifototra amin’ny finiavan’ny olona no na­naovana ny fanavaozana ny lisi-pifidianana, fa tsy nisy fa­nerena. Hajanona ve ny raharaham-pirenena fa misy olom-pirenena iray alina na iray hetsy tsy […]

Fanatsarana ny fanaovana politika : hanamafy fototra aloha ny antoko Marina

Natao tetsy Antanimena, ny sabotsy teo, ny kongresin’ ny antoko Marina. Tapaka tamin’izany ary araka ny fotokevitra fa hohamafisina aloha ny eny ifotony. “Hofanina sy homena traikefa ireo hitantana sy mihevitra ny hitondra ny eny anivon’ny kaominina ato anatin’ny 5 taona ho avy. Hametraka ny fototra tsikeli­kely izahay ho fanatsarana […]

Filohan’ny FJKM : “Olona azo ireharehana ny mpanao politika”

Nankalazaina tany Toamasina, ny faran’ny herinandro teo, ny faha-55 taonan’ny FJKM. Ankoatra ny firesahana ny fiainam-piangonana, nitondra hafatra ho an’ny mpanao politika koa ny mpitandrina Andriamahazosoa Irako Ammi nandritra izany. “Eo amin’ny sehatry ny politika, ho kristia­nina vavolombelon’i Kristy. Ka i Jesoa Kristy no tompon’ny baiko, fa tsy ny antoko […]