Politika

Filoha Rajoelina Andry : “Miara-miasa ny fiangonana katolika (Ekar) sy ny fitondrana”

Napetraka, omaly, ny arseveka vaovao an’ny diosezin’Antananarivo, ny Mgr Raoelison Jean de Dieu. Niatrika izany ny filoha Rajoelina Andry izay nanamafy ny fiaraha-miasa amin’ny fiangonana katolika. Napetraka tamin’ny fo­mba ofisialy, amin’ny fomba katolika ny arseveka vaovaon’ Antananarivo, ny Mgr Raoelison Jean de Dieu. Mpino marobe no tonga nanotrona ny lamesa, […]

Minisitra Tokely Justin : “Manaja ny fahaleovantenan’ny Ceni ny governemanta”

Anisan’ireo nandray anjara tamin’ny fikaonandoha nokarakarain’ny Ceni, afakomaly, tetsy Ambodivona, ny minisitry ny Atitany, i Tokely Justin. Nohazavainy tamin’izany ny toeran’ny governemanta ma­no­loana ny fikarakarana sy fanomanana ny fifidianana. “Manaja ny fahaleovantenan’ny Ceni ny governemanta”, hoy ny minisitry ny Atitany, i Tokely Justin, teny Alarobia, afakomaly, manoloana ny filazan’ny antoko […]

Mpitondra tenin’ny governemanta : “Efa anaty zotram-pifidianana isika izao”

Nasongadin’ny minisitra sady mpitondra tenin’ny governemanta, i Lalatiana Rakotondrazafy, omaly, tao amin’ny fandaharana “Tsy ho tompon-trano mihono”, ny momba ny fifidianana. “Mandresy lahatra ny Sadc ny sasany ny amin’ny hananganana governemanta iraisana fa tsy hanaovana fifidianana… Efa anaty zotra sy dingam-pifidianana isika izao. Hafa indray raha nisehoana krizy politika teto […]

Filohan’ny Ceni : “Lisitra madio sy azo antoka no narafitra”

Nambaran’ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama, tetsy Ambodivona , omaly, fa dingana lehibe ny fahavitan’ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy. Tsy nanenjika isa fotsiny fa nandrafitra lisitra madio sy azo antoka izy ireo. “Nisy ny fitsirihan’ireo manampahaizana avy eto an-toerana sy avy amin’ny Frankofonia (OIF) ary samy nanamafy fa azo […]

Fifidianana : miantso ny filoha Rajoelina ho kandidà ny antoko Maitso

Nanatanteraka kongresy nasionaly tetsy By Pass ny antoko Maitso hasin’i Madagasikara. Nivoitra tamin’ny fehin-kevitra ny momba ny hiatrehana ny fifidianana. “Miiantso ny filoha Rajoelina izahay mba hirotsaka hofidiana filoham-pirenena in­dray”, hoy ny filoha nasionaly, Alexandre Georget, tamin’ny lahateny famaranana, ny kongresin’ny antoko. Nohitsin’ity antoko mpanohana ny fitondrana ity fa resy […]