Nampitandrina ireo dahalo mandatsaka ny ain’ny mpiray tanindrazana samy Malagasy ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotoarijaona Josoa. Eo koa ireo mieritreritra hanakorontana ny firenena. Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy teny amin’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena (MDN), omaly, ny fihaonambe iraisam-paritra momba ny fiarovana sy ny filaminana na «Forum inter régional sur la […]
Politika
Fihaonana tamin’ny HCC: manao tombana momba ny lalàna koa ny Sadc
Manao ranolava ny fihaonan’ny iraky ny Sadc amin’ny mpanao politika sy ny Andrimpanjakana. Anisan’ny nandray azy ireo tetsy Ambohidahy, ny eo anivon’ny HCC, omaly. “Betsaka ny feo mandeha saingy tsy izany ny anton-dianay eto. Hanao tombana ny fifidianana mba halalaka sy madio ary mangarahara. Eo koa ny fanaovana tombana momba […]
Antoko RPSD: “Tsy tokony hiandrasana ny Sadc ny vahaolana”
Naneho ny heviny, manoloana ny raharaham-pirenena ny eo anivon’ny antoko RPSD, tarihin’Andriatsizehena Benja Urbain na i Bebain. Nambarany fa tsy maintsy atao amin’ity taona ity ny fifidianana, araka ny voalazan’ny Lalàmpanorenana. Na izany aza, takin’izy ireo ny hanovana ny governemanta sy ny hanitsiana ny lalàna mifehy ny fifidianana. “Mba hangarahara […]
Fihaonana an-tampony any Tanzania: nidera ny filoha Rajoelina ny Banky iraisam-pirenena
Nihaona amin’ireo filoha lefitra roa eo anivon’ny Banky iraisam-pirenena ny filoha Andry Rajoelina, tany Dar Es Salam, Tanzania, omaly. Teo koa ny lahateniny momba ny lohahevitra nodinihina tamin’ny fihaonana an-tampony. Nahazo fankasitrahana manokana avy amin’ny filoha lefitra roa eo anivon’ny Banky iraisam-pirenena, Victoria Kwakwa sy i MamtaMurti, ny filoha Rajoelina. […]
Fihaonana amin’ny Sadc : misy mangataka fanemorana ny fifidianana
Vokatry ny fomba fanomanana ny fifidianana ny fangatahana fanemorana izany, araka ny fanazavan’ny filoha teo aloha, Rajaonarimampianina, taorian’ny fihaonany tamin’ny iraky ny Sadc, teny Antaninarenina, afakomaly. “Mety tsy mipetraka ny ahiahy na fangatahana fanemorana ny fifidianana, raha tomombana ny fanomanana azy”, hoy izy. Amin’ny maha vondrona iraisam-pirenena ny Sadc, izay […]




