Tsy faly ny depiote Razara Pierre Fidel ,”Del kely”, tao amin’ny fandaharana “Miara-manonja”, ny herinandro teo. Notakiny ny tokony hanadihadiana ny momba ny fanadinana hidirana ho polisim-pirenena. Tsy nitsitsy fitenenana ity depioten’Ambatondrazaka ity. “Avoahy ny marina amin’ireo polisy miisa sivy afaka fanadinana nefa tsy niadina an-tsoratra sy am-bava akory. Foano […]
Politika
HVM: “Tokony hajaina ny lalàna momba ny zom-pirenena”
“Ho anay antoko HVM, tsy mila avilivily intsony izany fa hijery isika afaka volana vitsivitsy. Enga anie mba hijoro ireo tomponandraikitra mahefa amin’ny fijerena ny firotsahan-kofidina ho filohan’ny Repoblika”, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny antoko HVM, Rakotovao Rivo, manoloana ny fihaonan’ny filohan’ny Repoblika tamin’ny mpanao gazety ka nanazavany ny amin’izay fananany […]
Filohan’ny Antenimierandoholona : “Atsaharo ny adihevitra tsy mampandroso…”
Nitondra ny heviny taorian’ny fihaonan’ny filohan’ny Repoblika tamin’ny mpanao gazety, ny alahady teo, ny filohan’ny Antenimierandoholona, Razafimahefa Herimanana. Nambarany fa efa mazava avokoa ireny fanazavana ireny. «Aoka atsahatra amin’izay ny adihevitra tsy mampandroso sy ireo niteraka resabe farany teo ireny. Efa feno tanteraka sy mazava ny nambaran’ny filoha ka aleo […]
Fivorian’ny UA : ho fanatsarana ny toekarena
Nifarana ny alahady 16 jolay 2023, tany Nairobi Kenya, ny fivoriana faha-5, fandrindrana ny Vondrona afrikanina, fanao isaky ny enim-bolana. Filoham-panjakana, filohan’ny vaomieran’ny Vondrona afrikanina, mpikamban’ny Komity ekonomika regionaly (CER) no tomponandraikitry ny fivoriana. Niatrika izany ihany koa ny delegasion’ny firenena ao anatin’ny Vondrona afrikanina. Ny mahakasika ny toekarena aty […]
Firosoan’ny fifidianana : misoko mangina koa ny Tetezamita «Genie»
Efa naparitaka any amin’ireo etamazaoro politika, tato ho ato, ilay drafitra miendrika Tetezamita “Gouvernement d’entente nationale intermédiaire pour les élections” (Genie). Ny fifidianana handeha… Miala any koa anefa ny “Geni” efa novoizin’ny depiote isany, Razafimanantsoa Hanitra sy i Johasy Eléonore. Eo koa Ramanantsoa Herivelona sy Rakotovazaha Olivier. Ny minisitra teo […]




