Politika

Fitsirihana lisi-pifidianana: manao fanitsiana avy hatrany ny Ceni

Nahitsy sy nohatsaraina avy hatrany izay azo natao avy amin’ny toromarika ta­min’ny fitsirihana, araka ny filoha lefitry ny Ceni, Andria­malazaray Andoniaina, ta­min’ny fitsirihan’ny OIF ny tontolon’ny fikarakarana fifidianana teny amin’ny Ceni, Alaro­bia, afakomaly. Ny se­hatry ny lalàna sy ny haitao ara-kajy mirindra ary ny fifandraisan’ny isan’ny mponina amin’ny isan’ny mpifidy […]

Rabary Paul: “Tokony mbola hampiakarina aza ny anto-bola 200 tapitrisa Ar”

Mahabe adihevitra ny nampiakarana ny anto-bola firotsahan-kofidina ho filohan’ny Repoblika ho 200 tapitrisa Ar. Tokony mbola hampiakarina aza izay, raha ny fijerin’ny mpandinika fiarahamonina, Rabary Paul. Fanehoan-kevitra… “Amiko, mbola tokony hampiakarina noho izao aza io 200 tapitrisa Ar io. Mba tsy hisy intsony eto Mada­ga­sikara ny kandidà tsy mieritreritra ny […]

Satan’ny hery politika : nanao sonia ny APM sy ny Avi ary ny Fy-M

Nitombo indray ireo antoko politika, nanaiky ny sata fitondran-tena mendrika ho an’ny hery politika. Nanao sonia izany, ny alatsinainy 17 jolay 2023, ny Antoko politika madio (APM), ny Asa vita ifampitsarana (Avi) ary ny Fy-M. Sata izay vokatry ny fikaonandoha sy fifanakalozan-kevitra nifanaovan’ireo antoko politika misy eto Madagasikara. Manaiky ary […]

Taha fiakaran’ny vidim-piainana : hitondra fanazavana ny tale jeneralin’ny Instat

Hivahiny ao amin’ny fandaharana “Ambarao”, onjam-peo Alliance 92 FM, anio, ny tale jeneralin’ny Ivontoeram-pirenena misahana ny antontanisa (Instat). Ho voaresaka amin’izany sy hitondrany valiny ny momba ny fanisana ny mponina farany teo sy ireo taha samihafa eo amin’ny lafiny sosialy. Manampy izany ny momba ny tahan’ny fiakaran’ny vidim-piainana sy ny […]

Governoran’ny Faritra Androy: “Rariny ny anto-bola 200 tapitrisa Ar”

“Rariny sy hitsiny, angamba, io fanapahan-kevitry ny fitondram-panjakana io. Satria tsy kilalaon-jaza ny fifidianana filohan’ny Repoblika.” Io ny fanehoan-kevitry ny governoran’ny Faritra Androy, i Soja Lahimaro, momba ny anto-bola 200 tapitrisa Ar amin’ny firotsahan-kofidina ho filohan’ny Repoblika. Antonony amin’izay hirotsa-kofidina io. Matetika, kajikajy politika no manosika ny kandidà sasany mba […]