Politika

Rakotomavo José : “Fampihavanam-pirenena sy fanorenana ifotony no vahaolana maharitra”

Hanao ahoana ihany ny ho fizotran’ny toe-draharaham-pirenena amin’izao? Maneho ny fijeriny ny mpandrindra ny “Vondrona Antanimena” izay nikarakara fihaonambe momba ny fampihavanana sy fanorenana ifotony teny Antenimena, taona 2014, Rakotomavo José: “Vahaolana maharitra no ilaina: fampihavanam-pirenena sy fanorenana ifotony.” Dinidinika… Gazety Taratra (*): Ny fahitanao ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana izao? […]

Loholona Tsiebo Mahaleo : “Tsy azo ekena ny Tetezamita”

“Aminay, filam-boatsihary ny filazana hoe tokony hanaovana fitondrana Tetezamita izany satria, hono, misy krizy. Tokony hanao fitondrana Tete­zamita avokoa izany ny firenena maneran-tany, satria mandalo krizy sosialy sy toekarena. Tsy any ny resaka.” Io ny fanehoan-kevitry ny loholona Tsiebo Mahaleo Richard. Samy niaina ny fiainam-pirenena teto isika hatramin’ izay. Izany […]

Lisitry ny mpifidy : mbola hisy fitsirihana farany

“Aorian’ny 31 mey, hamoaka ny rejisitra izay azo lazaina hoe lisitra farany ny Ceni”, hoy ny fanazavan’ny mpampakateny, Andriama­ro­tafika Soava, teny Alarobia, omaly, momba ny famaranana ny fisoratana anarana amin’ny lisitry ny mpifidy. Nefa ireo nisoratra anarana taorian’ny 9 marsa, namaranana ny fandraketana amin’ny ordinatera nahazoana namoaka ny lisitra vonjimaika: […]

Minisitry ny Fitsarana : “Aoka halavirina ny kolikoly”

Nohamafisin’ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanan­te­nasoa Landy Mbolatiana ny antso avo efa nataony ho an’ireo mpitsara. “Tsy maintsy halavirintsika ny kolikoly, ary aoka samy hanatanteraka izany”, hoy izy tany Ma­ro­antsetra, ny herinandro teo. Anisan’ireo niatrika ny lanonam-pitsarana manetriketrika, nametrahana ny filohan’ny fi­tsarana any an-toerana, i Mae­vazaka Josie Thérencia, ny tenany. Notsiahiviny […]

Fihaonana tamin’ny filohan’ny Antenimiera: nitaky fanatsarana lalàm-pifidianana ireo fiarahamonina sivily

Tonga teny Tsimbazaza, omaly, ny solontenan’ireo fiarahamonim-pirenena maromaro, nihaona amin’ireo depiote. Nitondra ny heviny manoloana ny filohan’ny Antenimierampirenena ho amin’ny fanatsarana ny lalàm-pifidianana izy ireo. Anisan’izany ny momba ny fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana sy ny hanalavana ny fe-potoanan’ny propagandy. Eo koa ny hamerana ny famatsiam-bola amin’ny fampielezan-kevitra. “Nomenay sy nalefa […]