Politika

Depiote Rakotomanga Lanto : “Depiote 109 no manohana ny filohan’ny Repoblika”

Nitondra fanazavana, manoloana ny resabe momba ireo depiote ny solombavambahoaka IRD, Rakotomanga Lanto. Nambarany fa mbola ao anatin’ny heriny izy ireo amin’izao fotoana izao. «Amin’ny fidirana amin’ny fivoriana ara-potoana voalohany amin’ny volana mey, mbola mahatratra 109 izahay depiote manohana ny filohan’ny Repoblika», hoy ny depiote IRD, voafidy tao An­tananarivo II, […]

« Caravane de Droit » : hampahafantarana ny lalàna

Fanentanana amin’ny alalan’ny andiana fiara. Hanom­boka rahampitso, handalo eny Talata Volonondry sy Anka­zon­dandy ny “Caravane de droit” na ny fiara Zo. Hitohy any Anjozorobe izany, ny 27 avrily izao. Andiana fiara hanaovana hetsika hampahafantarana ny zo sy lalàna eny anivon’ny vahoaka izany ka iarahana amin’ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana sy […]

Lisitry ny mpifidy : miisa 379 000 no tsy maintsy harenina

“Maro ireo olom-pirenena milaza fa nisoratra anarana nefa tsy hita ao anatin’ny lisitry ny mpifidy amin’izao. Izay indrindra no anaovana fanaraha-maso sy fitsirihana”, hoy ny fanazavan’ny mpampakatenin’ny Ceni, Andria­marotafika Soava, teny Ala­robia, omaly. Nahatratra 379 000, ohatra, ny isan’ny olom-pirenena izay nisy tsy fahatomombanana ny momba azy amin’ny fisoratana anarana. […]

Fivahinianana tany ivelany: naka traikefa tany Israely i Siteny

Noraisin’ny Praiminisitra Israelianina, i Benyamin Netanyahou ny filoha mpanorina ny Mihava Tour sady depiote, Randrianasoloniaiko Siteny. Notanterahina ny fa­ran’ny herinandro tany an-toerana izany. Anisan’ny voaresaky ny roa tonta ny fiainam-pirenena sy ny fifandraisana eo amin’i Israely sy i Madagasikara. Teo koa anefa ny dinika momba ny fananganana fotodrafitrasa, anisan’ny tena […]

Namearison Robert : «Ilaina ny fitoviana sy ny fahazoana maneho hevitra»

Nitondra ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olom-pirenena, i Namearison Robert. Anisan’ny nambarany ny momba ilay fepetra noraisin’ny minisiteran’ny Atitany. “Ilaina ny fametrahana ny fitoviana sy ny fa­hazoana maneho he­vitra. Satria hatramin’izao tsy mbola misy kandidà. Ny loza aza, tsy ny resaka politika ihany no andrarana […]