Politika

Depiote Razafimanantsoa Hanitra : “Mirona tanteraka ho any amin’ny fifandonana isika”

Nitondra ny heviny, manoloana ny raharaham-pirenena ny depiote Razafimanantsoa Hanitra, omaly, tao amin’ny fandaharana “Miara-manonja”. Nambarany fa mampanahy ny ho avy sy ny hiatrehana ny fifidianana raha miainga amin’ny zava-misy, ankehitriny. Nambarany fa efa tsy ho azo atao intsony izany izao ny fifamezivezena sy ny fananana zo haneho hevitra. “Miezaka […]

Mananara Avaratra : tsy faly amin’ny sefo distrika ireo olon-kendry

Tezitra ary naneho ny alahelony ny vondron’ireo olon-kendry ao Mananara Avaratra, ny herinandro teo. Anisan’ny tsy nahafaly azy ireo ny fihetsiky ny sefo distrika, Rabo­tohavana Florent. Namba­ran’ireo mpitondra fivavahana sy ny nentin-drazana, miaraka amin’ny mpandraharaha any an-toerana fa tsy nomena hasina sy haja izy ireo tamin’ny fandraisana ny filohan’ny Repoblika […]

Fandehanana misotro ronono : Isaorana eny Soamandrakizay ny Mgr Razanakolona

Fahasoavana mitohy ny an’ny diosezin’Antananarivo. Hifanesy ny Sorona Masina fisaorana an’Andriamanitra ho an’ny eo anivon’ny fiangonana katolika. Hotanterahina ny alahady 9 jolay izao, eny Soamandrakizay ny fankasitrahana ny arseveka, ny Mgr Razanakolona Odon, taorian’ny naneken’ny papa Fransoà ny handehanany hisotro ronono. “Fotoana io hisaorana an’Andriamanitra sy iderana azy noho ny […]

Satan’ny mpanao politika : mbola raisina ny soso-kevitra

“Mbola mandray ny soso- kevitra sy manatsara ny sata ny ekipa ao. Hampahafanta­rina ny fotoana hanaovan-tsonia”, hoy ny sekretera jeneraly nasionalin’ny HVM, i Sambany Alain. Nandrafitra no nataon’ ireo antoko folo nivory sy nifampizara fomba fijery ary nifandresy lahatra ny amin’ny rijan-teny. Nampafanta­rina ny antoko politika sy firaisamonina sivily izany […]

Lisitry ny mpifidy : haverina eny amin’ny fokontany ireo tsy fahatomombanana

Mahatratra 57 012 ny tsy fahatomombanana amin’ny lisitry ny mpifidy, araka ny tatitry ny mpanao fitsirihana, ny herinandro teo. “Ha­verina eny anivon’ny fokontany ireo tsy fahatomombanana hanaovana fanamarinana. Tsotsotra ireo tsy fa­hatomombanana: ny laharan- karapanondro izay mam­piavaka ny lahy sy ny vavy, ny tsy fisian’ny laharana “serie””, hoy ny mpampakateny […]