Politika

Fiatrehana ny fetim-pirenena: nanome toromarika hentitra ny MDN

Tokony hisy ny fifandrindrana asa eo amin’ny rafitra mpibaiko sy ny mpanatanteraka, araka ny fanazavan’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotoarijaona Josoa… Mamita iraka any amin’ny faritra Atsinana­na ny minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN), ny Jly Rakotoari­jaona Josoa sy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena, ny Jly Serge Gellé, hotronin’ny lehiben’ny Eta­ma­zaoron’ireo […]

Tabera R. : “Hanao fifidianana ny Tetezamita”

“Manohana ny fanan­ganana ny fitondrana Tete­zamita izahay. Hikarakara fifidianana fotsiny ireo ao anatin’izany governemanta hijoro izany”, hoy ny fanehoan-kevitry ny CRN, i Ta­bera Randriamantsoa. Izay ho Praiminisitra amin’izany no handamina an’izay fikarakarana fifidianana izay, satria tsy miandany amin’ny atsy na ny aroa izy. Toy ny Praiminisitra tamin’ny Tetezamita, taona 1992, […]

Depiote Razakandrainy Dominique : “Efa miroso amin’ny fifidianana isika”

“Efa nisy ny fanapahan-kevitra noresahina ampahibemaso nolazain’ny Praimini­sitra, nanamafy izany amin’ny fitsidiham-paritra ataony koa ny filohan’ny Repoblika: hisy ny fifidianana filohan’ny Repoblika. Tapitra ny fe-potoam-piasan’ny filohan’ny Repoblika. Tsy tokony hitarina izany fa halefa ny fifidianana, hirosoan’ny raharaham-pirenena.” Io ny fanehoan-kevitry ny depiote voafidy tany Sakaraha tamin’ny anaran’ny IRD, Ra­zakandrainy Henri […]

Ramamimampionona Gérard : “Mba tsy hisy ambadibadika ny sata fitsipi-pifehezan-tena”

“Mba hatao mazava ny fi­tsipi-pifehezan-tena ary hanaraka izany tsara ny rehetra, rehefa hoe hifanandrina amin’ ny fifidianana. Zava-dehibe izay, ary tokony hazava dieny mialoha ny zava-drehetra. Mba tsy hisy ambadibadika ihany koa izay, ka hiteraka tsy fifampahatokisana na fisaratsarahana na sanatria misy ady anatiny indray hoe ny sasany voaray ary […]

Fivorian’ny OIT : handaha-teny ny filoha Rajoelina

Hanomboka anio sy ra­hampitso, any Genève ny fi­haonana an-tampon’ny Fi­kam­banam-be iraisam-pirenena momba ny asa (OIT). Anisan’ireo handaha-teny amin’izany ny filoha Rajoe­lina Andry, ny alakamisy izao. Hiompana amin’ny fiahiana sosialy mitovy tantana ho an’ny rehetra ny lohahevitra amin’ity andiany ity. Tafiditra amin’ny Velirano fahenina ny fihaonana ho antsika, amin’ny alalan’ny asa […]