Nitohy tany Menabe, tao Morondava, ny Mihava Tour, notarihin’ny depiote Randrianasoloniaiko Siteny, ny faran’ny herinandro teo. “Tsy ekentsika ny fampiadiana ny samy Malagasy. Mila fanavotana ny vahoaka sy ny firenena fa tena mijaly loatra”, hoy izy tamin’ireo vahoaka tany an-toerana. Nanteriny fa tsy mahantra ny Malagasy. Nampahantraina isika. Izay no […]
Politika
Minisitry ny Raharaham-bahiny : “Tsy ny mampisaraka no jerena fa ny mampiombona”
Mitohy ny fanentanana amin’izao fiatrehana ny fetim-pirenena izao. Niantso firaisankina ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Yvette Sylla sy ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotoarijaona Josoa. “Manentana antsika Malagasy mba hampiseho firaisankina sy fitiavan-tanindrazana. Iray ihany ny tanindrazantsika. Noho izany, tokony hiara-misalahy isika hanompo ny tanindrazana : tsy hijery izay mampisaraka […]
Kongresim-paritra: nihaino ny olan’ny vahoaka tany Farafangana Ravalo
“Betsaka ny zava-bitanao taty aminay. Nahavita nanamboatra ny lalana mirefy 300 km nefa tsy notokananao izany ary tsy nisehosehoana… Tsy nanavahana ny “Kit scolaire” sy ny fijerena ny fanabeazana. Tahaka izany koa ny fampiroboroboana ny fiompiana sy ny fambolena”, hoy ireo vahoaka tany Manakara sy Farafangana. Nanatanteraka ny kongresim-paritra tany […]
Fiombonana ; “Voahitsakitsaka ny lalàna”
“Manitsakitsaka ny lalàmpanorenana ny zava-misy. Satria tokony hisy ny lalàna fanitsiana ny tetibola”, hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko Fiombonana, Retogniane Durlin, manoloana ny tsy fisian’ny volavolan-dalàna fanitsiana ny tetibolam-panjakana, taona 2023. Mitaraina ny Ceni amin’ny vola voasoratra ao amin’ny lalàna mifehy ny tetibola hahazoana manatanteraka fifidianana. Ahoana àry ny fomba […]
Satan’ny mpanao politika : notebahin’ny ACS ny FES
“Fahefana avy aiza no ahazoan’ny FES milaza fa tsy tokony hatao teny faneva amin’ny politika ny Soratra Masina? Tena fanosihosena ny soatoavina malagasy izany. Kristianina avokoa ny 70% amin’ny vahoaka, ary mino an’Andriamanitra-Zanahary an-tampon’ny loha aza ny 100%.” Io ny fanehoan-kevitry ny mpitarika ny Amicale des anciens Conseillers supérieurs de […]




