Nitohy atsy Afrika Atsimo ny fiatrehan’ny depiote Masy Goulamaly fivoriana iraisam-pirenena, solontenan’i Madagasikara. Hiofana momba ny zon’ny vehivy ho amin’ny fananantany sy ny harena voajanahary ny tenany amin’izany. Hotanterahina, manomboka rahampitso, any Afrika Atsimo, hatramin’ny 15 jona izao izany fivoriana sy fiofanana izany. Hiompana amin’ny harena voajanahary sy ny tokony […]
Politika
Fitsirihana ny lisi-pifidianana: miisa 29 000 ireo anarana miverimberina
Natao, omaly, teny Alarobia ny famelabelarana ny valin’ny fitsirihana ny lisitry ny mpifidy. Namelabelatra ny valin’ny fitsirihana nataony ny manampahaizana avy amin’ny Tim sy ny avy amin’ny firaisamonim-pirenena “Hetsika fampiraisana kristiana ho an’ny firenena – HFKF”. Niatrika izany ny komity, ahitana ny solontenan’ny fiaraisamonim-pirenena sy ny mpanao politika, ny birao maharitry ny […]
Iles Eparses : hanampy an’i Madagasikara amin’ny fitakiana i Rosia
Fiaraha-miasa sy fifandraisana efa ampolo taonany maro ny misy eo amin’i Rosia sy i Madagasikara. Tontosa, omaly, teny amin’ny masoivohon’i Rosia, eny Analamahitsy, ny fankalazana ny andron’i Rosia. Fotoana natao hahatsiarovana ny nanambarana ny fiandrianam-pirenen’ny Rosianina ny 12 jona. Manampahefana maro sy olom-panjakana samihafa no tonga nisolo tena ny fitondram-panjakana tamin’izany lanonana izany. […]
Depiote Ratsiraka Roland : “Ilaina ny fanitsiana ny tetibola”
“Mihazakazaka ny governemanta fa ho avy ny fifidianana ka manao fanambarana be dia be. Eo ny fananganana ny faritra faha-24 Ambatosoa. Tsy azo atao petatoko ny zava-drehetra. Aiza ny vola hanatanterahana an’izany? Nefa tsy atao ny volavolan-dalàna fanitsiana ny tetibolam-panjakana”, hoy ny depiote, Ratsiraka Roland. Tao anatin’ny 60 taona, tsy […]
Olan’ny fampianarana ambony sy ny politika : nomen’ny Seces hatramin’ny faran’ny jona ny fanjakana
Nomen’ny Seces nasionaly hatramin’ny faran’ny jona ity, hamahana ny olan’ireo mpampianatra mpikaroka ny fitondram-panjakana. Takin’ izy ireo koa raha dila izany fe-potoana izany ny hanesorana tsy misy hatakandro ireo olona, vato misakana ho amin’ny fampandrosoana ny fampianarana ambony. “Tsy maniry ny hikatsoan’ny fampianarana sady tsy te hanan-dratsy vokatry ny tsy […]




