Politika

Otrikafo: “Tsy antoko folo no hanome lesona eto”

“Efa misy fanerena ankolaka sahady izany hizorantsika mankany amin’ny fifidianana. Na hanekentsika ny fepetra rehetra hizorana mankany amin’ny fifidianana”, hoy ny filohan’ny antoko Otrikafo, Elia Rabevahiny, momba ny sata fitsipi-pitondran-tena namorian’ny FES miaraka amin’ny Vondrona eoropeanina ny antoko politika folo teny Ankadifotsy, ny herinandro teo. Fifampiresahana aloha no tokony hatao […]

AREMA : notsarovana ny Accord de coopération

Notsarovan’ny Arema teny Faravohitra, omaly, ny 4 jona 1973. Nanaovana sonia ny Accord de coopération na ilay hoe fiaraha-miasa vaovao, nifanaovan’ny fitondrana ma­lagasy sy ny fanjakana frantsay. Nitarika izany ny sekretera nasionaly Ratsiraka Annick sy ireo avy amin’ny Comité directeur ary ny rantsamangaikan’ny antoko. Niadiana hevitra tamin’izany ny momba ny […]

KMF/Cnoe : “Ilaina hahitsy sy hatsaraina ny lalàm-pifidianana”

Tsy mbola sasatra ny mampahatsiahy ny eo anivon’ny KMF/Cnoe, manoloana ny raharaham-pirenena. Notakin’izy ireo ny hijerena ny lalàna, mialoha ny fifidianana. Rehefa vita ny zotram-pifidianana iray, misy ny torolalana miainga amin’ny fanaraha-maso na­taon’ireo mpanara-maso eto an-toerana na avy any ivelany. Entina hanatsarana ny lalàna izany. “Nahatonga ny KMF/ Cnoe nilaza […]

Praiminisitra Ntsay Christian : “Mijery lavitra isika… Nametraka vatofehizoro”

Notanterahina tao amin’ny kaominina Maroa­lo­mainty, Ambovombe, ny fanombohana tamin’ny fo­mba ofisialy ny herinan­dron’ny karatany, ho an’ny faritra Androy. Tany an-toerana ny Praiminisitra, Ntsay Christian. Manoratra ny tantara ny fitondram-panjakana. Nambarany fa mahatsiaro lalandava ny vahoaka any amin’ny faritra Androy ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina. Antony mahatonga ny lehiben’ny governemanta manentana ny […]

Minisitry ny Serasera sy ny eo anivon’ny OJM : “Avelao hiasa an-kalalahana ireo mpanao gazety”

Nanao antso avo ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Rakotodrazafy Lalatiana sy ny eo anivon’ny Holafitry ny mpanaoa gazety (OJM), omaly. Antony ny fisian’ny fanohintohinana ny asan’ny mpanao gazety, amin’izao fotoana izao. «Miray fo sy mi­ray saina amin’ny mpa­nao gazety voatohintohina tamin’ny fanatanterahana ny asany ny tenako», hoy ny […]