Politika

HFKF : “Misy lesoka eny ifotony ny lisitry ny mpifidy”

“Faritra fito ankoatra an’ Antananarivo no vita fanaraha-maso. Ny hita: betsaka ny lesoka ao anatin’ny lisitry ny mpifidy eny ifotony”, hoy ny mpandrindra ny Hetsika fampiraisana kristianina ho an’ny firenena (HFKF), Randriana­solo Tiana Arimino. Maro amin’ireo mpikambana midina eny anivon’ny fokontany. Tsy nanentana ny mpifidy hijery fotsiny ny anarany izy […]

Antoko MHM : “Ilaina ny fifampidinihana”

“Tena ilaina ny fifampidinihana, indrindra amin’izao akaiky fifidianana izao”, hoy ny filohan’ny Madaga­si­kara ho an’ny Malagasy (MHM), Andriamiarisoa Daniel, mom­ba ireo antoko politika folo nampanantsoin’ny Friedrich Ebert Stif­tung (FES) miaraka amin’ny Vondrona eoropeanina na­nao fifanarahana fitsipi-pitondran-tena. Mampanahy ny mety hi­sian’ny korontana mialoha sy mandritra ary aorian’ny fifidianana. Na ny lalàm-pifidianana […]

Vondrona Panorama: “Mila jerena ny lalàm-pifidianana”

“Misy andininy maromaro tao anatin’ny lalàm-pifidianana no nesorina. Tsy nifampierana tamin’ny fahefana mpanao lalàna izany. Tsy asan’ny HCC ny manao lalàna. Nefa nataony izany tamin’ny 2018. Tokony hojerena izany ny lalàm-pifidianana.” Izay ny fanehoan-kevitry ny avy amin’ny Vondrona Pano­rama, ny filoha nasionalin’ny MFM, Rakotovazaha Oli­vier. Mila jerena ny lalàm-pifidianana, satria […]

Fitsipi-pitondran-tena: hanao sonia fifanarahana ireo mpanao politika

Tsy hikombona ary mbola hisy fihaonana manaraka. Nambaran’ny loharanom-baovao iray ary nohamafisin’ireo mpanao politika fa tsy misy idiran’ny Tetezamita sy lalàm-pifidianana ilay sata ho an’ny fitsipi-pitondran-tena, iarahana amin’ny FES. Hosoniavina ny 20 jona ny fifanarahana, saingy ialohavan’ny fakan-kevitra hatramin’ny 16 jona izany. Nambaran’ny sekretera jeneralin’ny HVM, Rasambany Alain, anisan’ny niatrika […]

Masse – Rohy : «Manatsara ny fitantanana ny tomban’ezaka»

Nanao atrikasa tetsy Ambatonakanga, ny Ma­lagasy Association for evaluation (Masse) sy ny Rohy, omaly. Nanatrika izany ireo firaisamonim-pirenena ary ireo mpisehatra hafa. Tan­jona ny hanamafisana ny votoatim-politikam-pirenena momba ny tomban’ezaka. Amin’ny alalan’ny fampidirana ny fomba fijery sy fandraisan’andraikitry ny fiarahamonim-pirenena rehetra hampandrosoana ny firenena. «Hanatsarana ny fomba fitantanan’ny mpitondra ny […]