Politika

Fametraham-pialan’ny Mgr Razanakolona Odon : voatendry ho arsevekan’ Antananarivo ny Mgr Raoelison

Nilatsaka ny fanapahan’ny any amin’ny fiketrahana Masina. Neken’ny Papa Fransoà ny fametraham-pialan’ny Monseigneur Odon Marie Arsène Razanakolona amin’ny fitantanana pastoraly ny Arsidiosezin’Antananarivo. Notendren’ny any Vati­kana avy hatrany hisolo ny toerany, ho Arsevekan’Antananarivo, ny Mgr Raoelison Jean de Dieu. Evekan’Ambatondrazaka amin’izao fotoana izao izy ary eo amin’ny faha-60 taonany. Nohamasinina ho […]

TIM tany Mahajanga : nitaky fahalalahana

Nampahatsiahy ireo mpitandro filaminana ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravaloma­nana Marc tao Mahajanga, fa mety ho nahazo fampanantenana tambiny sy galona ireo Emmo/Reg. Nanteriny anefa fa manana ankohonana sy fianakaviana mijaly sy sahirana koa izy ireo ka tokony handinika. “Aza atakalo tombontsoa kely tahaka izany ny fiainan’ny firenena sy ny fahafahana. […]

Toe-draharaham-pirenena : manahy korontana ny UNND

“Ny zava-misy eo amin’ny sehatra politika, ny fiainana sosialin’ny vahoaka, ny tsy fisian’ny fahatokisana intsony ao amin’ny vahoaka sy ireo andrimpanjakana sy ny sampandraharaham-panjakana misy eto amin’ny tany sy ny fanjakana… Indray andro any, atahorana sao hipoaka ireo toe-javatra ireo mitambatra”. Io ny fanehoan-kevitry ny sekretera jeneralin’ny antoko UNDD, i […]

Depiote Siteny : matahotra antsika ny fitondrana

Nahitsy ny depiote Ran­drianasoloniaiko Siteny tany Nosy Be, tamin’ny Mihava Tour tany an-toerana, ny sa­botsy teo. “Matahotra antsika ny fitondrana matoa tsy mbola sahy mamoaka ny datim-pifidianana hatramin’izao”, hoy izy. Nanteriny hatrany fa ilaina ny fametrahana ny tena fitsinjaram-pahefana, manoloana ny vidin’ny Ylang ylang any an-toerana. Hamidy 500 Ar ny […]