“Ny fifanarahana tokony hatao eto: tsy ekena intsony ny Tetezamita, na iza na iza mampiditra an’izay eto. Na eo amin’ny fitondrana io, na mpanohitra, na antoko tsotra, na firongon’antoko.” Io ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny Sendikàn’ny adminisitratera sivily (Synad), Raholinarivo Paolo Solonavalona. Fanambarana nataony manoloana ny fivoizan’ ny sasany fidirana amin’ny […]
Politika
Tohan-kevitr’ireo antoko miisa 10 : “Ho arofanin’ny mpanao politika ny fitsipi-pitondran-tena”
Nampitovy tadin-dokanga tetsy Ankadifotsy, omaly, ireo antoko politika miisa 10, momba ilay satan’ny fitsipi-pitondran-tena niarahana amin’ny FES sy ny eo anivon’ny Vondrona eoropeanina (UE). Hiditra amin’ny dingana manaraka ny rehetra aorian’izao. “Ho arofanina eo amin’ny mpanao politika io sata io. Ambony kokoa ny toe-tsaina miaraka amin’izany noho ny lalàna. Fahatsapan-tena […]
Mananara Avaratra : nahazo birao ny minisiteran’ny Mponina
Tsy very anjara ny distrika any amin’ny faritra Analanjirofo. Anisan’ny nahazo birao ihany koa ny eo anivon’ny minisiteran’ny Mponina ao amin’ny distrikan’i Mananara Avaratra. Anisan’ ireo fotodrafitrasa notokanan’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry izany, nandritra ny fitsidihany ny tany an-toerana sy tany Maroantsetra, ny faran’ny herinandro teo. Nambaran’ny minisitry ny Mponina, […]
Hetsika teny amin’ny kianjan’ny 13 mey : arahin’ny fitsarana maso Rakoto Doris Samuel
Hotanterahina ny 16 jona izao ny fitsarana an-dRakoto Samuel Doris taorian’ny nihainoan’ny fampanoavana azy tetsy Anosy, omaly. Arahin’ny fitsarana maso kosa anefa ny tenany mandra-pahatongan’izany ka afaka nody, araka ny fanapahan-kevitry ny mpanao famotorana. Nosamborin’ny zandary vao maraina teny an-tranony, eny Andoharanofotsy ity vadin’i Mahery Lanto Manandafy (Malama) ity. “Tsy […]
Arai : fiara 185 sy kaonty 361 no giazina
“Fiara 185 vinavinaina hoe azo tamin’ny kolikoly, na fanodinkodinam-bolam-panjakana, na famotsiam-bola no halain’ny Arai amin’ny toeram-pitanana azy”. Io ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny Rafitra famerenana amin’ny fanjakana ireo fananana azo tamin’ny fomba tsy ara-dalàna (Arai), Rasoloharimanana Aimé, teny Imerimanjaka Ambohijanaka, tamin’ny faran’ny herinandro teo, tamin’ny fanamarihana ny herintaona nijoroan’io rafitra iadiana […]




